♦ Heloka manimba sy manohitra ny maha-olona ny ady, hoy ny Papa François, teo am-pamaranana ny vavaka Angélus… ♦ Any Etazonia, hotanterahina ny 18 sy ny 19 janoary ho avy izao ny alim-bavaka nasionaly ho an’ny fiarovana ny aina… ♦ Mila mpitantana ny fiantsoan’Andriamanitra, hoy ny Arsevekan’Antananarivo tamin’ny fankalazana ny fetin’ny Seminera Zandriny teny Ambohipo… ♦ Ny tenin’Andriamanitra sy ny fampianaram-pinoana no torina hoy i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Evekan’ny Diôsezin’Antsirabe, tamin’ireo Diakra 25 vao nohamasinina…

♦ Tsy mahavaly ny hetahetam-bahoaka ny Governemanta nijoro omaly hoy ny antoko Humaniste Ecologiste. Tsy mba nisy olom-boafidy tena mahita ny hetahetam-bahoaka ao anatin'ny akory,hoy izy ireo... ♦ Lalana maro eto Madagasikara no tsy misy fikojakojàna amin'izao fotoam-pahavaratra izao, ka vao mainka mihsimba. Mahavita tsara ny fanamboarana azy ireny anefa ny vola anatin'ny Fond Routier, hoy ny Depiote Rastany... ♦ Nivily lalana ka tsy ahiana handalo an-tanety eto Madagasikara ilay rivo-doza Belal ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Ho betsaka ny rotsak'orana amin'ny ilany avaratra sy avaratra andrefan'ny nosy anio sy rahampitso noho ity rivo-doza ity...

♦ Voatendry omaly ireo ministra handrafitra ny Governemanta voavao amin'izao fe-potoam-pitondràna faharoan'ny filoha Andry Rajoelina izao. MInistra teo aloha 13 no tafaverina, 10 olom-baovao... ♦ Sekreteram-panjakàna maromaro eo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika no hatsangana hoy ny filoham-pirenena omaly teny amin'ny Lapan'i Iavoloha. Hanatevina ireo ministra eo anivon'ny Governemanta izy ireo... ♦ Tontosa omaly ny fankalazàn'ny Diôsezin'Antananarivo ny fetin'ny Fianakaviana Masina, izay mpiaro ny Seminera Zandriny Ambohipo, sady nentina nanohana azy... ♦ Feno 100 andro omaly ny niverenan'ny adin'i Israel sy ny Hamas Palestiniana...

Nisy fotoana nisahirana kokoa mampiasa saina mba hananana kilalao, ilay hilalao no mamorona. Ankehitriny, mandray vonona ireo efa vita araka ny fivoaran'ny teknolojia ny rehetra ; misy lafin-tsarany sy rafi-ratsiny anefa izany ary miantraika amin'ny fomba fisainana ; ohatra ny kilalao basy dia misarika ny saina ho tia ady. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...