1 aprily 2024 — Alatsinainy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 8-15)

Ry kristianina havana; mitohy hatrany ny fandinihantsika ny misiterin’ny Paka. Hitantsika tamin’ny Evanjely teo fa vehivavy no nanambarana voalohany ny nitsanganan’i Jesoa ho velona; fa nahoana tokoa moa no tsy i Piera, ilay vatolampy iorenan’ny Eglizy sy nomena ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra? Nahoana no tsy i Joany, ilay mpianatra malalan’i Jesoa ? satria safidin’Andriamanitra izany; satria tian’Andriamanitra harenina ilay korontana vokatry ny nataon’i Eva taloha; tontolo vaovao no manomboka miaraka amin’ny fandresen’i Kristy, amin’ny andro voalohan’ny herinandro. Rehefa nihaona tamin’i Jesoa ireo dia lasa nihazakazaka nanambara izany; tsy mamela hipetra-poana ny finoana fa mahazaka maniraka.

Tany Galilea no fotoana nomen’i Jesoa an’ireo mpianany satria tany Galilea no niantsoany azy ireo voalohany. Tian’i Jesoa averina amin’ny laoniny ilay fifandraisana lalina. Tsy nanaraka na nanao am-po tamin’ireo mpianany nivadika taminy sy nanary azy tamin’ny sarotra i Jesoa, fa namerina indray ny fitokisany azy ireo sy ny fitiavany (“rahalahiko, hoy i Jesoa”) sy ny fiantsoany. Izany no hatsaran’Andriamanitra. Izany no vokatry ny Paka.

Nandà ny fitsanganan’i Jesoa hatramin’ny farany kosa ireo manam-pahefana jody, nanidy fo, nanampina ny konsiansy, eny fa tonga hatramina sisi-bola sy tsolotra aza. vola no namadihan’i Jodasy Iskariota an’i Jesoa; dia eto koa mbola vola no amitahana vahoaka. Mbola izany mandraka androany. Fiainam-baovao no andrasan’Andriamanitra amintsika; meteza hodiovina sy hohavaozin’i Kristy nandresy. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...