Vakiteny voalohany
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 14. 22-32)
Izany Jesoa izany no natsangan’Andriamanitra ho velona, ary vavolombelon’izany izahay rehetra.
Tamin’ny andro Pantekôty,
dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera
ka nanao antso avo tamin’ny vahoaka hoe:
“Ry Jody sy ianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema,
fantaro tsara izao, ary mampandria sofina amin’ny teniko:
i Jesoa avy any Nazareta,
Lehilahy nankatoavin’Andriamanitra teo imasonareo
tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana
ary ny famantarana nampanaoviny Azy teo aminareo,
araka ny fantatry ny tenanareo,
dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova
sy ny fahalalany mialoha,
ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana
sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;
fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona
sy nahafaka Azy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana,
satria tsy azo atao ny hihazonan’izany Azy,
araka ny voalazan’i Davida ny aminy hoe:‘Nijery ny Tompo teo anatrehako lalandava aho,
satria eo ankavanako Izy mba tsy hihozongozona aho.
Noho izany, ny foko miravoravo, ny lelako mirobiroby,
ary ny nofoko hitombina amin’ny fanantenana,
fa tsy ho foinao ao amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko,
ary tsy hatolotrao hafoy ho tratry ny lò ny Masinao.
Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao,
ary hanome hafaliana ahy amin’ny fampisehoana ny tavanao amiko.’Ry havako malala,
aoka holazaiko marimarina aminareo
fa ny amin’i Davida razantsika dia efa maty izy
ka nalevina ary eto amintsika mandraka androany ny fasany.
Fa noho ny maha-mpaminany azy sy noho ny fahalalany
ny teny napetrak’Andriamanitra taminy tamim-pianianana
fa anankiray amin’ny taranany no hapetrany handimby azy
amin’ny fanjakany,
dia ny fitsanganan’i Kristy ho velona
izay efa tsinjony mialoha no nilazany
fa tsy ho foiny ao amin’ny fitoeran’ny maty Izy,
ary ny nofony tsy ho tratry ny lò.
Izany Jesoa izany no natsangan’Andriamanitra ho velona,
ary vavolombelon’izany izahay rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo (Sal. 15, 1-2a sy 5. 7-8. 9-10. 11)
Andriamanitra ô, ambeno aho mifefy aminao.
Andriamanitra Tompo ô, ambeno aho
fa Ianao re no hany ifefeko, hasambarako tokana an-tany.
Ianao re, ry Tompo, no lova
hany zarako mandrakizay.
Ka isaorako Tompo Ianao fa nanolotra saina, fanahy,
sy nanoro ny foko hatrany.
Eo alohako foana ny Tompo,
tsy hiala eo ankavanako Izy.
Tsy omby tratra tokoa ny hafaliana
izay mameno ny foko tontolo sy manenika izato fanahy.
Ka ny nofoko mandry amin-toky
fa tsy foinao ho levona ny aiko.
E! ny lalan’ny fiainana izao dia hatoronao ahy hatrany,
ka nameno hafaliana ny foko.
Ho finaritra mandrakizay
izay mitoetra eo ankavananao.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 8-15)
Asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany Ahy.
Tamin’ny marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro,
nony efa nahita ny Anjelin’ny Tompo
i Maria Madelena sy ilay Maria anankiray,
dia niala faingana teo amin’ny fasana,
sady natahotra no faly indrindra,
lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra.
Ary indro i Jesoa niseho taminy nanao hoe:
“Arahaba.”
Dia nanatona Azy izy ka namihina ny tongony
sy niankohoka teo anatrehany.
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Aza matahotra,
fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko,
fa any no hahitany Ahy.”
Mbola teny an-dalana izy ireo,
dia indreny ny mpiambina sasany nankany an-tanàna,
ka nilaza tamin’ny lohandohan’ny mpisorona
ny zavatra rehetra vao niseho.
Dia novorìn’ireo ny loholona
ka rahefa niara-nidinika teo izy,
dia nanome vola be ny miaramila,
ary nilaza taminy hoe:
“Aelezo amin’ny olona
fa tonga halina ny mpianatra nangalatra Azy
raha mbola natory izahay hoe;
ary raha sendra ren’ny governora izany,
dia izahay no hanony azy tsy haninona anareo.”
Dia nandray ny vola ny miaramila,
ka nanao araka ny teny nomeny azy.
Ary izany teny naelin’izy ireo izany
no mbola inoan’ny Jody mandraka androany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.