♦ Efa any amin'ny Diôsezin'i Tolagnaro i Mgr Luc Oliver Razfitsimialona, hohamasinina ho Eveka ao amin'izany Diôsezy izany amin'ny alahady 28 janoary 2024... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana manaraka amin'ity taona ity, ny antoko MMM. Mametraka fepetra kosa anefa izy ireo momba izany... ♦ Mandry tsy lavo loha tanteraka ny mponina ao amin'ny Distrikan'Ankazobe, ato amin'ny Faritra Analamanga, manoloana ny fanafihan-dahalo mahery vaika...
Ny zokiolona dia mampahafantatra ny fototra, mampita lova-panahy sy lova-tsofina ; mitahiry sy mampahafantatra ny fototry ny vahoaka, mampitohy ny tantara. Izay manaja ny ray aman-dreny sy ny zokiolona dia manaja an'Andriamanitra ihany koa. Fatorana mampitohy ny taranaka mifandimby ny zokiolona indrindray mampita traik'efa. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
25 janoary 2024 — Ny nibebahan'i Masindahy Paoly Apôstôly — Fety — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-18)
♦ Olona efatra, izay vehivavy telo sy mpitandrina iray, no mbola eo am-pelatanan'ny dahalo mpaka an-keriny, ao amin'ny Distrikan'Ankazobe... ♦ Nalefa teny Tsiafahy ilay mpamily taxibe nahafaty mpitondra moto teny Mahamasina, tao aorian'ny fiakarany Fampanoavana androany... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana ny antoko MMM, saingy manamafy ireo fepetra takiany, toy ny fanovana ny rafitra mpikarakara ny fifidianana...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco