Manohana fikambanan'ny tantsaha eto Madagasikara anatevina ny sehatr'asany amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra ny tambazotra iraisam-pirenena misehatra amin'ny fampiofanana amin'ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR. Voafidy anatanteraka ny tetik'asa FI-FAR eto Madagasikara ny tambazotra Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA...

Ny fampiofanana tanora mpamokatra handray andraikitra sy anamafy ny fahaiza-manao na eo amin'ny lafiny fisoloan-tena na eo amin'ny lafiny fanantanterahana ny fambolena mikajy ny tontolo iainana na ny "agroécologie" na ny famokarana manaja ny tsingerim-piainan'ny tontolo iainana no loha-hevitra nosafidiana amin'izao tetik'asa izao.

Ny hanofanana tanora afaka hafolaka ny asa famokarana sy ho dimbin'ireo mpitarika ankehitriny no tanjona hoy Andriamatoa Gérard Andriamandimby, talen'ny Réseau SOA. Tanora 60 volavolain'ny Réseau SOA avy amin'ny Faritra 13 misy azy no misitraka tombontsoa amin'ny tetik'asa.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...