10 aogositra 2024 — Masindahy Laurent, Diakra Martiry — Fety — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 24-26)

♦ Ankizy sy tanora maherin'ny 15.000 no hiatrika ny Kôngresy Eokaristika hatao any Antsiranana ny 20 hatramin'ny 25 aogositra 2024... ♦ Nanolotra ny Fandaharan'asa Ankapoben'ny Governemanta teny amin'ny Lapan'i Tsimbazaza ny Praiminisitra Ntsay Christian, androany... ♦ Nivoaka ny efitrano fivoriana ny Solombavam-bahoka mpanohitra. Tsy ara-dalàna, hoy izy ireo, ny fanoloran'ny Praiminisitra ny PGE androany...

♦ Mpikambana avy amin'ny AFAFI/FET miisa 7.198 no hiatrika ny Kôngresy Eokaristika sy ny Fihaonambe Nasiônaly, izay hotanterahana any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana. Miisa 15.000 kosa ireo mpizaika avy amin'ny Diôsezy isan-tsokajiny, ho tonga hanatrika ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, ny 23 hatramin'ny 25 aogositra 2024... ♦ Feno 25 taona katroka ny Diôsezin'Ambositra. Ankalazaina amin'ny fomba manetriketrika izany, nanomboka androany... ♦ Nanavao ny antsony ny Papa François tamin'ny famaranana ny Audience générale tao amin'ny Efitrano Paul VI, tamin'ny alarobia teo...

Miroborobo etsy sy eroa ankehitriny ilay karazana fampiofanana atrehan'ny olona maro na ny " formation de masse". Tsy voafaritra mazava anefa ny fepetra maha fampiofanana azy,indrindra fa ny lasi-panofanana.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...