10 aogositra 2024 — Masindahy Laurent, Diakra Martiry — Fety — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 24-26)

Ry kristianina havana! Mankalaza an’i Masindahy Laurent moa ny Fiangonana androany, ilay diakra martiry tamin’ny andron’ny Papa Sixte II. Ny oha-piainana nasehony no manampy antsika hatrany eo amin’ny ezaka ataontsika mba hanomanantsika ihany koa ny hoavintsika. Ambaran’ny Tenin’Andriamanitra amintsika indrindra àry amin’izany fa tsy maintsy mahafoy tena isika ary mahafoy hatramin’ny aina aza mba ahafahantsika miombona anjara amin’i Kristy, indrindra mba ahafahantsika miombom-pijaliana aminy.

Hoy indrindra i Jesoa mampianatra ireo mpianany ary mampianatra antsika koa hoe: “… raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mitoetra foana izy: fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay”. Tamin’izany fotoana izany dia mbola nafana vay tokoa ny fanenjehana ka maro ireo maty martiry noho i Kristy, ka anisan’izany i Masindahy Laurent.

Takian’i Kristy amintsika àry ny mba hamokarantsika, dia ny vokatry ny finoantsika izany amin’ny alalan’ny fijoroantsika ho vavolombelona ankehitriny. Mbola miseho amin’ny endriny hafa mantsy izany fahafoizan-tena takiana amintsika izany ankahetriny ka hitakiana ny finiavantsika. Aoka isika tsy maika ny hitady valiny fotsiny na maika hiandry valisoa dieny eto an-tany amin’ireo ezaka takiana amintsika, mba ho fiombonana amin’i Kristy, fa hanao tsy omby aloha hazoto hatrany hilofo hahafoy ny aina toy ireo zokontsika amin’ny finoana mba handraisantsika ny satro-boninahitry ny fanahintsika rehefa tonga ny fotoana handraisantsika izany.

Jesoa Tompo ô! Tsy mora ny mijoro ho vavolombelon’ny fanjakanao ary indrindra ny mahafoy tena sy mahafoy aina ho amin’izany, koa ampio amin’ny alalan’ny Fanahinao Masina izahay miaraka amin’ireo olomasina efa nialoha lalana anay, mba hamokaranay be ao amin’ny sahan’ny fanjakanao. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...