Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 2, 2-5. 9-12)
Ry kristianina havana,
maniria fatratra ny rononom-panahy tsy misy famahony, toy ny zaza vao teraka,
mba hampitomboany anareo amin’ny famonjena, rahefa nandramanareo fa mamy ny Tompo.
Manatòna Azy, izay vato velona nolavin’ny olona ihany tokoa,
nefa voafidy sy sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra kosa;
ary ianareo kosa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona,
mba hitsangana ho Tempoly fanahy, ho mpisorona masina,
ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy,
mpisorona manjaka,
firenena masina,
vahoaka navotana,
mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina,
ho amin’ny fahazavany mahagaga:
dia ianareo izay tsy vahoakany akory taloha,
fa efa vahoakan’Izy Andriamanitra kosa ankehitriny,
ary tsy nahazo famindram-po koa taloha,
fa efa nahazo ny famindram-pony kosa ankehitriny.
Ry malala,
mamporisika anareo hifady ny fanirian’ny nofo izay manohitra ny fanahy aho,
noho ny maha-vahiny sy mpivahiny anareo.
Manaova fitondran-tena tsara eo afovoan’ny jentily,
mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiana,
rahefa hitany ny asa soa ataonareo,
na dia amin’ny zavatra anaovany anareo ho mpanao ratsy aza.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 99, 2. 3. 4. 5
Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo,
ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy mihira, miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Fa Azy isika satria nohariany.
Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra.
Ny ao an-kianjany, idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo: ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo.
Fa mandrakizay ny fitiavany antsika.
Amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 46-52)
Tamin’i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka niala tao Jerikao,
dia nipetraka nangataka teo amoron-dalana i Bartime jamba zanak’i Time.
Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay,
dia rafitra niantso izy nanao hoe:
“Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.”
Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy,
fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe:
“Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko.”
Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy.
Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe:
“Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao.”
Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Inona no tianao hataoko aminao?”
Dia hoy ilay jamba:
“Rabony ô, aoka mba hahiratra aho.”
Ary hoy i Jesoa:
“Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao.”
Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy,
ka nanaraka Azy teny an-dalana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Hankalazaina ny 15 - 16 jona ho avy izao ny andro eran-tany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona ho an'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananaviro... ♦ Miantso ny Ceni haka hevitra amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana momba ny fifidianana any Morondava ny KMF/Cnoe... ♦ Nanatrika ny fihanianan'ny filoha kaomaoriana Azali Assoumani noho ny nahavoafidy azy indray omaly ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny Mialy Rajoelina... ♦ Von olona mampihoron-koditra ny zera baomban'ny Israeliana tao amin'ny toby iray fandraisana mpitsoam-ponenana tao Rafah any Atsimon'i Gaza hoy ny Hamas Palestiniana...
Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 1, 18-25)
Ry kristianina havana, fantatrareo fa ny nanavotana anareo
ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana,
dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy,
fa ny Ra sarobidin’i Kristy, Ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,
dia Ilay talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao no efa voatendry,
fa tamin’izao andro farany izao vao naseho, noho ny aminareo.
Tamin’ny alalany no nahazoanareo finoana an’Andriamanitra
izay nanangana Azy ho velona, sy nanome voninahitra Azy,
ka zary fanantenana an’Andriamanitra koa ny finoanareo.
Noho ianareo efa nandio ny fonareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana,
sy efa nilatsa-tenany tamin’izany hanaraka ny fitiavana marina ny rahalahy,
dia mifankatiava fatratra amin’ny fo tokoa;
fa efa nateraka indray ianareo,
tsy amin’ny voa mety lò, fa amin’ny voa tsy mety lò,
dia ny tenin’Andriamanitra izay velona sy maharitra mandrakizay.
“Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra,
ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin’ny ahitra:
nony maina ny ahitra, dia mihintsana ny voniny;
fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay.”
Ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20
Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa,
derao Andriamanitra, ry Siôna.
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao.
Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto.
Mandefa ny didiny ho etý an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina.
Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didy aman-tsatany ho an’i Israely.
Tsy misy olon-kafa nomeny izany:
ny satany manko nafeniny azy.
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 32-45)
Tamin’izany andro izany,
nony teny an-dalana ho any Jerosalema ny mpianatra, dia i Jesoa no loha lalana,
ka sady gaga ny mpianany no natahotra teny am-panarahana Azy.
Dia nalainy indray ny roa ambin’ny folo lahy ka nilazany ny hanjò Azy:
“Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika,
ary ny Zanak’Olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna,
ary hohelohina ho faty ka hatolony amin’ny jentily;
dia hoesoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny,
fa hitsangana indray amin’ny andro fahatelo.”
Ary nanatona Azy i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
tianay mba hataonao aminay izay hangatahanay aminao.”
Ary hoy Izy:
“Inona no tianareo hataoko aminareo?”
Dia hoy ireo:
“Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao,
ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tsy fantatrareo izay angatahinareo;
moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo,
na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?”
Hoy ireo taminy:
“Zakanay.”
Fa hoy kosa i Jesoa:
“Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa,
ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa;
fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy ny ankaviako kosa
dia tsy ahy ny hanome izany,
fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany.”
Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany;
fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe:
“Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao,
dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy,
ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana.
Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany;
fa izay te-ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo,
ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra.
Fa ny Zanak’Olona tsy mba tonga hotompoina fa mba hanompo,
ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Manentana ny olom-pirenena hanefa ny adidiny amin'ny fifidianana solombavambahoaka hatao ny 29 mey izao ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Nandritra ny fankalazana ny alahadin'ny Trinité Masina omaly no nanambaran'ny Vikera Jeneraly Mompera Randrianifahanana Mamiarisoa Modeste izany... ♦ Miantso ny olom-pirenena hanefa ny adidiny hifidy koa ny SAFIDY. Nisy ny hetsika nataon'izy ireo ny sabotsy lasa teo... ♦ Mahatsikaritra fadikan-dalàna nandritra ny fampielezan-kevitra ny KMF/Cnoe. Tsy mety hoy izy ireo ny fiandaniana amin'ny vondron'antoko...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco