Vakiteny voalohany

Fiantombohan’ny taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (2 Tes 1, 1-5. 11b-12)

Ankalazaina ao aminareo ny Anaran’i Jesoa Tompo sy ianareo koa ao aminy.

I Paoly sy i Silvano ary i Timôte mamangy ny Eglizy any Tesalônika
izay tafaray ao amin’ny Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo:
Homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.
Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay
noho ny aminareo, ry kristianina havana,
fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra;
ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany.
Tonga reharehanay any amin’ny Eglizin’Andriamanitra ianareo,
noho ny faharetanareo sy tsy fivadihanareo,
na dia ao anatin’ny fanenjehana amam-pahoriana rehetra manjò anareo aza.
Famantarana ny hamasinan’ny fitsaran’Andriamanitra izany,
dia mba hatao mendrika ny fanjakan’Andriamanitra izay antony iaretanareo ianareo,
ary mba hotanterahiny amin-kery avokoa ny faniriana tsara rehetra sy ny asan’ny finoanareo,
ka hankalazaina ao aminareo ny Anaran’i Jesoa Tompo,
sy ianareo koa ao aminy, araka ny fahasoavan’ny Andriamanitsika sy i Jesoa Kristy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 9, 1-2a. 2b-3. 4-5

Ambarao ny firenena ny voninahiny.

Ihirao hira vao ny Tompo!
Ihirao ny Tompo, ry tany tontolo!
Hatramin’ny ranomasina
ka hatramin’ny ranomasina.

Torio ny Famonjeny mahafaly!
Ambarao amin’ny firenena ny voninahiny!
ny vahoaka rehetra,
ny Asany mahagaga!

Fa lehibe ny Tompo sy mendri-dera fatratra,
mahatahotra noho ny andriamanitra rehetra!
Ny andriamanitr’ireo vahoaka tsinontsinona avokoa.
Ny Tompo kosa nanao ny lanitra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 13-22)

Loza ho anareo, ry mpitarika jamba!

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe:

“Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy
fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra;
ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.
Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
noho ianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety mba hahazo mpianatra na dia iray aza;
ka nony mahazo ianareo, dia ataonareo zanaky ny gehen’afo mihoatra indroa noho ianareo.
Loza ho anareo, ry mpitari-dalana jamba izay manao hoe:
Raha misy mianiana amin’ny tempoly, dia tsy mampaninona izany;
fa raha misy mianiana amin’ny volamena izay ao amin’ny tempoly, dia voafehy izy.
Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa,
ny volamena sa ny tempoly izay mahamasina ny volamena?
Ary koa: Raha misy mianiana amin’ny ôtely, tsy mampaninona izany;
fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny, dia voafehy izy.
Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa,
ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra?
Koa amin’izany izay mianiana amin’ny ôtely,
dia mianiana aminy sy amin’izay rehetra eo amboniny;
izay rehetra mianiana amin’ny tempoly,
dia mianiana aminy sy amin’Ilay mitoetra ao anatiny;
ary izay mianiana amin’ny lanitra,
dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, sy amin’izay mipetraka eo amboniny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...