♦ Tsy nahafaly ny Vovonan'ny Sekoly tsy miankina eto Madagasikara, ny faneren'ny Ministeran'ny Asa azy ireo, hampihatra ny karama farany ambany... ♦ Arahanao ato anatin'izao vaovao hariva izao ny vaovaon'ny fampielezan-kevitra... ♦ Hanainga rahampitso ho any Afrika Atsimo ny Delgasiôn'ny Barean'i Madagasikara...
♦ Nandefa hafatra manokana ho an'ny mpiara-miombona antoka ao amin'ny Fifandraisan'ny mpiara-belona, i Mgr Fulgence Rabemahafaly, ka nanentana ny rehetra mba hahay hampiasa izany fitaovana izany mba tsy hahalefy ny fihavanana eo amin'ny olombelona sy Andriamanitra... ♦ Nanentana ny rehetra hanao am-pinoana ny famantaran'ny hazofijaliana, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankazalazana ny fetin'ny Trinite Masina, sady nankalazana ihany koa ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo...
Taratasy nosoratan’i Masindahy Jodà Apôstôly (Jodà and 17. 20b-25)
Ry malala,
tsarovy ny teny voalazan’ny Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompontsika fahiny.
Aoka ianareo hivavaka amin’ny alalan’ny Fanahy Masina,
hitahiry tena amin’ny fitiavana an’Andriamanitra,
ary hiankina amin’ny famindram-pon’i Jesoa Kristy Tompontsika,
mba hahazo ny fiainana mandrakizay.
Amindrao fo ny sasany izay miahanahana;
afaho amin’ny afo no famonjy ny sasany;
ary ny sasany indray amindrao fo, fa amin-tahotra,
ka ankahalao na hatramin’ny akanjo voaloton’ny nofo aza.
Ary aoka anie ho an’Ilay manam-pahefana hiaro anareo tsy ho lavo,
sy hampiseho anareo ho tsy manan-tsiny amam-peno haravoana eo anatrehan’ny fiandrianany,
dia ho an’Andriamanitra tokana Mpamonjy antsika,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
ny voninahitra sy ny fiamboniana, ary ny hery sy ny fanjakana,
hatrizay hatrizay, sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 62, 2. 3-4. 5-6
Andriamanitra Andriamanitro ô, maniry Anao aho!
Mangetaheta Anao ny fanahiko!
Matimaty Anao ny nofoko:
mova tsy tany maina sy mangetana, maniry rano.
Toy ny nahitako Anao tao amin’ny toerana masina,
sy nibanjinako ny hery sy voninahitrao
fa tsara noho ny aina ny hatsaram-ponao,
ka ny molotro mankalaza Anao.
Toy izany no hisaorako Anao raha mbola velona aho,
sy hanandratako tanana amin’ny Anaranao:
ka ny fanahiko ho toy ny voky sakafo soa
ny molotro hihoby, ny vavako hidera!
Aleioia. Aleloia.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy ilay mandefa ny didiny eto an-tany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 27-33)
Tamin’izany andro izany,
dia tonga tany Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany.
Ary raha niasa dia teo anatin’ny Tempoly i Jesoa,
dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona,
ka nilaza taminy hoe:
“Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao?
Ary iza no nanome fahefana Anao hanao izany?”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry ianareo,
ka raha voavalinareo, dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao.
Avy aiza ny batemin’i Joany,
avy any an-danitra sa avy amin’ny olona?
Valio Aho.”
Dia nieritreritra izy ireo ka nanao hoe:
“Raha valiantsika hoe avy any an-danitra manko,
dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo?
Ary raha ataontsika hoe avy amin’ny olona kosa,
ny vahoaka indray no atahorantsika;
fa ataon’izy rehetra ho mpaminany marina tokoa i Joany.”
Dia izao no navaliny an’i Jesoa:
“Tsy fantatray.”
Ary hoy kosa i Jesoa:
“Izaho koa,
tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Sôfônia Mpaminany (Sôf. 3, 14-18a)
Mihobia, ry zanakavavin’i Siôna!
Manaova feo firavoravoana, ry Israely!
Mifalia sy mirehareha amin’ny fonao rehetra ry zanakavavin’i Jerosalema.
Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’ny Tompo,
ny fahavalonao nentiny mihodivitra anao.
Ny Tompo, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao,
ka tsy hahita loza intsony ianao.
Amin’izany andro izany,
izao no holazaina amin’i Jerosalema:
“Aza matahotra, ry Siôna,
ary aza miraviravy tanana!
Ny Tompo Andriamanitrao no eo aminao,
Mpamonjy mahery!
Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao:
hangina Izy amin’ny fitiavany;
noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.
Hovorìko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 12, 9-16b)
Aza asiana fihatsaram-belatsihy ny fitiava-namana;
mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara.
Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpirahalahy;
mifaninàna hifanaja.
Raha ny amin’ny fahazotoana,
dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo;
ny Tompo anie no tompoinareo e!
Mifalia amin’ny fanantenana,
mandefera amin’ny fahoriana,
ary mahareta amin’ny fivavahana;
manampia ny olomasina araka izay ilaina,
ary mazotoa mampiantrano vahiny.
Misaora izay manenjika anareo;
misaora, fa aza manozona.
Miaraha mifaly amin’izay mifaly,
ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.
Miraisa hevitra;
aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Iz. 12, 2-3. 4. 5-6.
Intý ny Andriamanitry ny fahafahako;
matoky aho, fa tsy manan-tahotra;
fa ny heriko sy fiderako, dia ny Tompo,
Izy no famonjena ahy teo.
Hanovo rano an-kafaliana ianareo
amin’ny loharanom-pamonjena,
ary izao no holazainareo amin’izany andro izany.
Miderà ny Tompo, miantsoa ny Anarany;
torio amin’ny firenena ny asany lehibe,
ataovy antso avo, fa tafasandratra ny Anarany.
Mihirà ho an’ny Tompo fa nanao zava-mahagaga Izy;
ka aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany.
Miantsoa mafy, manaova firavoravoana, ry vehivavy mponina any Siôna,
fa lehibe eo afovoanao, Ilay Masin’i Israely!
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)
Tamin’izany andro izany, dia niainga i Maria
ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra,
ho any an-tanàna anankiray any Jodà,
ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta.
Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy,
dia nientana ny zaza tao an-kibony,
ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta,
ka nanandra-peo niantso mafy hoe:
“Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao,
ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.
Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho?
Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy,
dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.
Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka
izay nampilazain’ny Tompo taminy!”
Ary hoy i Maria:
“Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko,
fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny.
Fa indro, hatramin’izao,
dia hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho,
satria efa nanao zavatra lehibe tamiko Ilay Mahefa.
Ary masina ny Anarany
sady amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony.
Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy:
dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony;
naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy,
fa ny ambany kosa nasandrany;
ary ny noana novokisany soa,
fa ny mpanan-karena kosa, nampodìny mitondra tanam-polo.
Niahy an’i Israely mpanompony Izy,
fa tsy hadinony ny famindram-pony tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay,
araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.”
Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria
vao nody tany an-tranony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco