Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (2 Tes. 3, 6-10. 16-18)

Raha misy tsy mety miasa dia aoka koa izy tsy hihinana.

Ry kristianina havana,
mandidy anareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay,
mba hisaraka amin’ny rahalahy rehetra tsy manaraka ny fampianarana noraisiny taminay,
fa manao fitondran-tena tsy marina.
Efa fantatrareo izay tokony hataonareo mba hakan-tahaka anay,
fa tsy mba nanao izay tsy marina teo aminareo izahay.
Tsy mba nihina-mofon’olona maimaim-poana izahay, fa niasa andro aman’alina,
ka sasatra sy trotraka erý,
mba tsy hahavaky tratra na dia ny iray akory taminareo aza;
tsy noho izahay tsy manam-pahefana anefa,
fa noho izahay te-hanolo-tena ho fakan-tahaka ho anareo.
Fony mbola tany aminareo ihany izahay dia efa nandidy anareo hoe:
Raha misy tsy mety miasa, dia aoka koa izy tsy hihinana.
Ny Tompon’ny fiadanana anie hanome fiadanana anareo mandrakariva amin’ny zavatra rehetra.
Homba anareo rehetra anie ny Tompo.
Ity no veloma soratan’ny tanako, izaho Paoly.
Toy izao no soratro, ka ataovy famantarana ny taratasiko rehetra.
Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 121, 1-2. 4-5

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo
sy mizotra amin’ny lalany!
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao:
ka sambatra sy tretrika.

Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 27-32)

Zanak’izay namono ny mpaminany ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao hoe:

“Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo eto ivelany ka miseho ho tsara,
fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra.
Toy izany koa, ianareo eto ivelany miseho ho marina eo imason’ny olona,
nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy faharatsiana.
Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa manamboatra ny fasan’ny mpaminany ianareo
sady manisy haingony ny tsangam-baton’ny olo-marina ka manao hoe:
‘Raha izahay no mba tamin’ny andron’ny razanay,
dia tsy ho niray tetika taminy, handatsaka ny ran’ny mpaminany izahay.’
Koa amin’izany ny tenanareo ihany no mitsangan-ko vavolombelona
fa zanak’izay namono ny mpaminany ianareo.
Fenoy àry ny famaran’ny razanareo!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...