♦ Homarihina ny 15 sy 16 jona 2024 ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Miisa 38 ireo fankalazana mandritra ny taon-Jobilin'ny Fanavotana ny taona 2025... ♦ Mankahery ny rehetra hanao asa soa pastôraly bebe kokoa, ny Papa François, amin'ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany faha-8 ho an'ny Mahantra, amin'ny volana nôvambra 2024...
Mamolavola ireo tanora ao aminy momba ny famokarana miaro ny tontolo iainana sy ny fampiarahana ny fambolen-kazo amin'ny famokarana ny tambazotra Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Efa misy ny sehatr'asa atao momba izany ho an'ireo tantsaha mpamokatra mivondrona ao aminy, ka anjaran'ny tanora indray no misitraka izany...
♦ Kandidà roa avy amin'ny Vovonana Firaisankina no miakatra fitsarana raharaham-pifidianana eny amin'ny HCC, nanomboka ny antoandro teo. Tomefy olona ny efitranom-pitsarana eny an-toerana... ♦ Miakatra fampanoavana ao Antsirabe androany ireo olona roa notazonin'ny zandary, noho ny raharaham-pifidianana tany Faratsiho. Iray amin'ireo natolotra ny fampanoavana ny lehiben'ny sampana informatika eo anivon'ny CED Faratsiho... ♦ Homarihina rahampitso sy ny alahady izao ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona...
Rafitra fototra eo amin'ny fiaraha-monina ny fianakaviana, izay mitana anjara toerana lehibe eo amin'ny fananganana sy ny fampandrosoana ny olona. Io no faribolana ara-tsosialy voalohany izay hivoarantsika, ary misy fiantraikany lehibe eo amin'ny fivoarantsika manokana, ny fifandraisantsika eo amin'ny samy olona ary ny fahasambarantsika amin'ny ankapobeny. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco