9 septambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 6-11)

Nandritra ny fanompoany teto an-tany, i Jesoa dia niasa tsy an-kijanona. Ny hanafaka ny olona tamin’ny aretina sy ny fijaliana ary ny fahafatesana indrindra no nahatongavany teto an-tany. Tsy nitsahatra nampianatra sy nanasitrana i Jesoa, naneho ny endrik’Ilay Andriamanitra Ray. Etsy an-kilany ireo mpanora-dalana sy Farisianina izay tsy mitsahata ihany koa ny mitady fomba hamandrihana an’i Jesoa, mba hiampangany Azy. Mpandika lalana sy tsy mitandrina ny andro natokana ho an’Andriamanitra i Jesoa raha ny fijerin’ny mpanora-dalana sy ny Farisianina, satria manao ny asa tsy fanao amin’ny sabata. Ny Sabata izay, raha ny tamin’ny Testamenta Taloha, dia fahatsiarovana ny andron’ny fanafahana. Nitandrina ivelany fotsiny ny mpanora-dalana sy ny Farisianina, nandika ara-bakiteny, fa hadinony ny tena zava-dehibe. Tonga hanao ny sitrapon’ny Ray i Jesoa, izany hoe: hamonjy ny very, hikatsaka ny soa ho an’ny olona fa tsy sanatria hanafaka ny ainy.

Nohamafisin’i Jesoa ary naveriny tamin’ny lanjany tena izy ny mahakasika ny sabata ka hoy Izy: “Ny Sabata no natao ho an’ny olona fa tsy ny olona no ho an’ny Sabata.” Ny fanasitranana nataon’i Jesoa tamin’ny andro sabata indrindra no nahatafintohina ny mpanora-dalana sy ny Farisianina. Nasehon’i Jesoa teto fa tompon’ny Sabata Izy, satria tena Zanak’Andriamanitra tokoa, ary io no andro tokony hanokanana ny tena ho an’Andriamanitra sy ho an’ny hafa. Ny fanafahana ny tenantsika amin’ny ratsy, ny firahalahiana sy ny fifampizarana, dia maneho indrindra ny fahambonian’ny asa fanasoavana ataontsika. Tsy hanaraka be fahatany ny lalàna ka manakimpy maso amin’ny manjo ny madinika sy ny mila famonjena. Fa hiezaka ary ho vonona hahatsapa ny fiombonana aina amin’izy ireny ka hanampy azy ho afaka amin’izay manjo azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...