Noharian’Andriamanitra ho lahy sy vavy ny olombelona mba hampitohy asa fahariana nankininy amin’izy ireo. Noho izany ilaina ny fahafantarana ny toe-batana amin’ny maha-lahy sy maha-vavy io, mba ahafahana mikajy sy mitandrina azy. Adidin’ny ray aman-dreny ny mampahafantatra sy manabe ny zanany dieny mbola kely izy, mba hahay hanavaka ny maha-izy azy , na lahy na vavy. Ny toetoetra ara-boajanahary na ara-biolojika dia samy manana ny maha-samy hafa azy na ny lahy na ny vavy. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
♦ Nahitana hetsika avokoa ireo oniversitem-panjakana miisa telo. Tsy olana vaovao fa mifandraika amin'ny vatsim-pianarana sy ny foto-drafitrasa hatrany no nitarika izany... ♦ Antony iray manahiran-tsaina ny fitondrana ka tsy amoahany ny datim-pifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsain'ny Tanàna, ny fandresen'ny mpanohitra tany amin'ny renivohi-paritany, nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka farany teo, hoy ny SFDM... ♦ Nahitana fihenana hatrany amin'ny antsasa-manila ny tranga fanolanana, manerana an'i Madagasikara, tao anatin'ny enim-bolana...
I Môizy dia notendrena ho mpanelanelana, izany hoe mpitondra ny hetahetan'ny olona eo amin'Andriamanitra sy mpitondra ny tenin'Andriamanitra amin'ny vahoaka, fa niombona hatrany tamin'ireo vahoaka ireo izy, indrindra tamin'ireo fakam-panahy sy fahotana ; sady olon'Andriamanitra noho izany i Môizy no mbola akaiky ny vahoaka ihany koa, vokatr'izany dia mangoraka sy mamindra fo amin'izy ireo izy... Katesizy momba an'i Môizy, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
19 jolay 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Omeo fahalalàna aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 1-8)
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco