15 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 37-41)

Ny tena fahamarinana dia mifanaraka ny teny lazaina sy ny fihetsika atao ety ivelany. Ary ny teny lazaina no hamantarana ny ao anatin’ny olona, araka ny tenin’i Jesoa hoe: ny teny no hitsarana ny fo. Satria “izay mameno ny fo ihany no tsy maintsy haloaky ny vava” Mt 12, 34. Ohatra ho antsika i Masimbavy Terezy tany Avila ny amin’izany, satria ny azy dia ny tsara indrindra tao am-pony no nentiny nanavao ny fikambanany. Eto anefa dia tsy tena miaina ny fahamarinana ireo Farisianina. Satria miseho ho mpitandrina ny lalàna ety ivelany fotsiny amin’ny fanasana ny tongotra sy ny tànana alohan’ny fihinanana nefa ao anaty feno halatra sy faharatsiana. Izany no atao hoe fihatsarambelatsihy. Ka izany no hanitsian’i Jesoa azy ireo mba hiaina ny tena fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra. I Jesoa rahateo amin’ny maha Andriamanitra Azy dia mahalala ny ao am-po tsy milaokan’ny tsirairay.

Inona àry no hasain’i Jesoa atao mba hiaina ny tena fahamarinana? Satria amin’ny maha olombelona antsika dia lavitry ny fahalavorariana ny ataontsika; kanefa kosa miezaka isan’andro ny ho lavorary. Inona no atao ? Dia hoy i Jesoa eto hoe: “izao ihany: manaova fiantrana, dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra”. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia hoe manaova fiantrana dia hadio ianareo. Izany hoe ny fiantrana dia hampahazo anareo fahasoavana hoentinareo mibebaka sy miala amin’ny fahotanareo. Ary marina izany rehefa jerena sy dinihana ny Soratra Masina. Satria hay izay manao asa fiantrana amin’ny fanohanana sy fanampiana ary famonjena ny namany dia mitandrina ny didin’Andriamanitra. Satria ny fitiava-namana no didy lehibe momba ny namana. Hoy Andriamanitra manamafy izany: “Manao fiantrana izay mampisambotra ny namany; ary mitandrina ny didy izay manohana azy amin’ny tanany” Sir 29.

Dia mety hiteny isika hoe sarotra izany, ny olona manahirana ary tonga amin’ny ilay fitenenana hoe: “maka anie milaka milaka e, fa mamerina milaka mihohoka”. Marina tokoa izany ary tsy azo lavina. Ary Andriamanitra mihitsy aza no milaza fa “be no mandà tsy hampisambotra, noho ny haratsian’ny olona, matahotra ny hahaverezan’ny volany maimaim-poana. Nefa hoy hatrany Izy hoe: aoka ho antra ny ory ianao; ary aza avela hiandry ny fiantrana omenao azy izy. Mamonje ny mahantra, noho ny didin’Andriamanitra, ary aza mandefa azy mitondra tanam-polo, noho ny fahoriany” Sir 29, 8-9. Fanatanterahana ny didin’Andriamanitra mihitsy ny asa fiantrana ary izay no maha asa fahamarinana azy; satria manatanteraka ny didin’Andriamanitra. Ary tsy mahafaty antoka ny manao soa; satria Andriamanitra mihitsy no mamaly soa anao sy mampitombo izay laninao. “Ampiasao ny rakitrao, araka ny didin’ny Avo Indrindra, dia hahazoanao soa mihoatra noho ny volamena izy”. Ambonin’izany, ny vokatry ny fiantrana dia tena manadio tanteraka antsika fanahy amam-batana tokoa. Satria ny fiantrana dia manafaka amin’ny fahafatesana mandrakizay ary mampahazo fahasoavana hiala amin’ny fahotana sy hanonitra azy. Dia hoy ny Bokin’i Tobia 12, 9 manamarina izany: “Fa ny fiantrana manafaka amin’ny fahafatesana, ary izy no manala ny fahotana, ary mampahita ny famindram-po sy ny fiainana mandrakizay”.

Araka izany àry, manaova fiantrana araka izay anananareo ary aza mikely soroka hanao soa fa mahamendrika antsika eo anatrehan’Andriamanitra sy mahavonjy antsika ny asa fiantrana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 9 desambra 2024

  • Manentana antsika rehetra hivavaka ho an'ny vahiny mpitondra fanantenana, ny Papa François, amin'ity volana ity...
  • Feno 19 taona amin'ity taona ity ny fivahinianana masina fanao ao amin'ny tanànan'Andovoranto, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Seho mahatalanjona sy mampihetsi-po ny eny izay nataon'i Masina Maria, ka nahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra ho nofo, hoy ny Papa François omaly, tamin'ny fampianarana nataony mialoha ny vavaka Angelus...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...