♦ Mitaky ny efa amoahana dieny izao ny anto-bola ho an'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, ny antoko Humaniste Ecologiste... ♦ Mampitandrina ireo milaza ho manana laza adina Bakalôrea sy manaparitaka izany, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka. Velona ahiahy amin'io tranga io ireo mampianatra sasany, telo andro mialoha ny fanadinana... ♦ Mbola ampy ny isan'ny enjeniera eto Madagasikara. Misy amin'izy ireo no tsy mahita asa mifanaraka amin'ny maha enjeniera azy, hoy ny Holafitra androany, ka mila fitadiavana vahaolana...

♦ Notokanana tamin'ny talata 16 jolay 2024, ny toerana izay misy ireo Masera Notre-Dame du Mont Carmel avy any Inde. Hiasa ao amin'ny faritra Avaradrano, Diôsezin'i Morondava... ♦ Nanomboka ny alakamisy teo ny andiany faha-40 amin'ny Fihaonambe sy Filankevitra Nasiônaly tanterahan'ny ACUM... ♦ Tanterahana any Asuncion, renivohitr'i Paraguay, nanomboka ny alatsinainy teo ny Fihaonambe faha-21 ho an'ireo miandraikitra ny Pastôralin'ny Tanora any Amerika Latina sy ny Nosy Caraïbes...

Mankalaza ny faha-20 taona nijoroany amin'ity taona ity ny UNION MATANJAKA, fikambanamben'ny tantsaha mpamboly sy mpiompy misandrahaka ao amin'ny Distrikan'Antsiranana faharoa. Tsenabe atao ao Antsiranana ny 18 hatramin'ny 20 jolay 2024 no anombohana izay fankalazana izay.

♦ Ao anatin'ny fandinihana ireo paikady hahafahana manafaingana ny fampandrosoana ireo Distrika nahazoany fandresena ny FIVOY, ankehitriny... ♦ Namoy namana iray indray ny fianakaviamben'ny mpanao gazety. Nodimandry teo amin'ny faha-51 taonany i Razanakarivelo Herinanahary Alain, fantatra amin'ny anarana hoe HERNAN Rivelo... ♦ Antoka iray hahafahana maka fanapahan-kevitra mifanaraka amin'ny zava-misy, ny fananana antontam-baovao sy antontan'isa ara-potoana sy mitombina. Dinihina amin'ilay atrikasa rejiônaly tanterahana eto Madagasikara izany...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...