♦ Ministeran'ny fahasalamana : Malagasy 8.300 isa, isan-taona no matin'ny fifohana sigara, mila hamafisina ny ady atao amin'ny fivarotana antsokosoko ny sigara... ♦ Fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary : Fomba fiasa vaovaon'ireo tambazotra mpanao izany indray ny fampiasana ny tambazotran-tserasera "facebook" hanangonana izany... ♦ Lavon'ny balan'ny pôlisy avy amin'ny USI ny jiolahy telo lahy saika hanao fanafihana teny Ilafy, omaly talata faha-23 ny volana jolay, araka ny fampitam-baovaon'ny pôlisim-pirenena... ♦ Hanohy ny asa fampandehanan-draharaha mandrapaha-vita ny lalao olympique ny governemanta mpisolo-toerana ao Frantsa araka ny fanambarana nataon'ny filoha Frantsay...
Hatsarana ny fanabeazana dia mila mametraka tontolo misy fifampitokisana, atao mazava ny lalana haleha, maneho fandrisiana ny olona tarihana. Misy fepetra avy amin'ilay olona mpitarika mba ahafahany mandresilahatra ny olona entiny. Ny mpitarika dia tokony hanana fahamatorana, saina misokatra, fahaizana miara-miaina amin'ny olona, fahaizana mankasitraka, atao mifanahaka amin'ny fihetsika ny hafatra tiana hampitaina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato : Fanambin'ny Filohan'ny Repoblika ny hampihena na hanafoana tanteraka ny kolikoly eny amin'ny fadin-tseranana... ♦ Azo atao ny misoroka ny fandanindaniam-poana ny volam-panjakàna amin'ny alalan'ny fanaraha-maso ireo fampiasam- bolam-panjakàna hoy ny tale jeneralin'ny Sampandraharaha misahana ny fitsirihana ara-bola... ♦ Filohan'ny fikambanan'ny mpianatra eny amin'ny Université Antananarivo : Nanao fanambarana nanatsikafona ireo olana maro misy eny anivon'ny anjerimanontolo... ♦ Teratany Irakiana miisa 10 nigadra tao amin'ny fonjan'i Al Hout ao Nassiriya no novonoina nahaton'ny fitondram-panjakàna tany an-toerana tamin'ny tady...
Ny vavaka dia misy fizotrany eo amin'ny fomba fanehoana azy. Hoy i Jesoa : mangataha dia homena ianareo ; fa izay rehetra mangataka no mahazo. Tahaka ny miteny Izy hoe mangataha amin'ny vavaka fa izay mivavaka dia mahazo foana na inona na inona antony. Ratsy fangataka ny olona iray rehefa ny filàny sy ny tenany fotsiny no ataony ivon'ny fangatahany, izany hoe filan-dratsy fotsiny no tiany ho azo... Katesizy momba ny vavak'i Davida, iarahana amin'i P. Sylvain Rafaralahimboa.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco