Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal. 3, 7-14)

Izay amin’ny finoana dia miara-kasoavina amin’i Abrahama mpino.

Ry kristianina havana, fantaro fa izay amin’ny finoana no zanak’i Abrahama.
Ary tsinjon’ny Soratra Masina rahateo fa amin’ny finoana no anamarinan’Andriamanitra ny Jentily,
ka nilaza vaovao mahafaly tamin’i Abrahama izy, nanao hoe:
‘Aminao no hanasoavan’Andriamanitra ny firenena rehetra.’
Dia naira-kasoavina amin’i Abrahama mpino amin’izany, izay amin’ny finoana.
Fa izay miankina amin’ny asan’ny Lalàna kosa dia voaozona,
araka ny voasoratra hoe:
‘Voaozona izay rehetra tsy maharitra manatanteraka ny zavatra rehetra voasoratra
ao amin’ny bokin’ny Lalàna.’
Sady hita miharihary raha ny hoe
tsy misy olona hamarinina amin’ny Lalàna eo anatrehan’Andriamanitra,
satria amin’ny finoana no hiveloman’ny marina.
Ary ny Lalàna dia tsy amin’ny finoana,
fa amin’ny fanatanterahana azy no ahavelomana aminy.
Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy,
fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe:
‘Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo’,
mba ho tonga amin’ny Jentily, ao amin’i Kristy Jesoa,
ny tso-drano nampanantenaina an’i Abrahama;
dia horaisintsika amin’ny finoana koa ny fampanantenana ny Fanahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 110, 1-2. 3-4. 5-6

Hotsarovany mandrakizay ny Fanekeny.

Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo,
am-pivorian’ny olo-marina sy am-Piangonam-be!
Lehibe ny asan’ny Tompo,
mampisaina izay rehetra tia Azy.

Voninahitra sy Fiamboniana no vitan’ny Tompo;
maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy.
Mangoraka sy antra ny Tompo.

Manome hanina ny matahotra Azy Izy,
fa mahatsiaro ny Fanekeny mandrakizay.
Naneho asa mahery tamin’ny vahoakany Izy,
fa nanome azy ny lovan’ireo firenena.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 15-26)

Raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra no androahako ny demony dia efa tonga aminareo ny fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, rahefa avy nandroaka demony i Jesoa,
dia niteny ny sasany tamin’izay teo nanao hoe:

“I Belzeboba lehiben’ny demony no androahany ny demony.”

Ary ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana avy any an-danitra taminy.
Fa i Jesoa nahalala ny heviny ka nanao taminy hoe:

“Rava izay fanjakana miady an-trano;
mianjera mifanongoa ny trano;
ka raha miady an-trano àry i Satana, ahoana no haharetan’ny fanjakany?
satria lazainareo fa i Belzeboba no androahako ny demony.
Ary raha amin’ny herin’i Belzeboba àry no androahako ny demony,
amin’ny herin’iza kosa no androahan’ny zanakareo azy?
Koa izy ireo ihany no ho mpitsara anareo.
Fa raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra no androahako ny demony
dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.
Raha lehilahy matanjaka sy àry fiadiana tsara no miambina ny tranony,
dia voaaro ny fananany rehetra;
fa raha tonga kosa ny mahery noho izy, ka mandresy azy,
dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany no hizara izay nobaboiny.
Izay tsy momba Ahy, dia manohitra Ahy,
ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.

Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto,
dia mandehandeha mitady fialan-tsasatra eny amin’ny tanety maina izy,
ka nony tsy mahita dia manao hoe:
‘Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.’
Ary nony tonga izy dia mahita azy voadio sy voaravaka,
ka mandeha maka fanahy fito ratsiratsy kokoa noho izy, dia miditra ireo ka mitoetra eo.
Ary ny faran’izany olona izany dia tonga ratsiratsy kokoa noho ny voalohany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal. 3, 1-5)

Amin’ny asan’ny Lalàna va no anaovany an’izany, sa amin’ny fihainoana ny finoana?

Ry Galata tsy manan-tsaina, iza no dia nandrebireby anareo,
nefa he fa voapetaka tsara teo imasonareo i Jesoa mifantsika!
Izao ihany no tiako ho fantatra aminareo:
ny asan’ny Lalàna va no andraisanareo ny Fanahy, sa ny fihainoana ny finoana?
Ahoana no dia maha-kely saina anareo loatra toy izany,
fa nanomboka tamin’ny Fanahy ianareo, ka dia hiafara amin’ny nofo indray ve?
Dia ho nahafantatra foana zava-mahagaga toy izany va ianareo?
Ka asa raha tsy ho foana tokoa!
Izay manome anareo ny Fanahy, sy mahavita asa lehibe eo aminareo,
amin’ny asan’ny Lalàna va no anaovany an’izany,
sa amin’ny fihainoana ny finoana?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Lk. 1, 69-70. 71-72. 73-75

Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr’i Israely, noho Izy namangy sy nanavotra ny olony.

Nanolotra antsika herim-pamonjena Izy:
avy amin’ny fianakaviana iray.
Dia ny an’i Davida mpanompo tiany.
Fa izany tokoa no efa nolazainy.
Fa teniny nentin’ny Mpaminany:
dia ireo olomasiny fahagola.

Ny vonjiny hanala amin’ny fahavalo;
hanafaka antsika amin’ny mpankahala.
Noho izy nandala ny Razantsika
dia indro tsaroany ny Fanekeny.

Fa teny nomeny an’i Abrahama
ny hanafaka antsika amin’ny fahavalo.
Amin’izay isika afa-manompo Azy
tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy.
Fa entin’ny fo tia sy mahatoky
ho eo anatrehany lalandava!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 5-13)

Mangataha dia hahazo ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha misy aminareo manan-tsakaiza mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe:
‘Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho,
fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko,
nefa tsy manan-katolotra azy aho’,
ary ilay tompon-trano kosa hamaly ka hanao hoe:
‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy;
izaho sy ny zanako efa tafandry ka tsy afaka hifoha hanome anao aho.’
Lazaiko aminareo, fa raha maharitra mandondòna izy,
na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano,
dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy.
Ary hoy Izaho aminareo:
Mangataha, dia homena ianareo;
mitadiava, dia hahita;
mandondòna, dia hovohàna.
Fa izay rehetra mangataka no mahazo;
izay mitady no mahita,
ary izay mandondòna no vohàna.
Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny,
na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny,
na hanome maingoka azy, raha atody no angatahiny?
Koa raha ianareo, na dia ratsy toy inona aza,
mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo,
tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra
no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal. 2, 1-2. 7-14)

Fantany koa ny fahasoavana nomena ahy.

Ry kristianina havana, efatra ambin’ny folo taona taorian’ny nibebahako,
dia niakatra tany Jerosalema indray aho;
i Barnabe niaraka tamiko, i Tito nentiko koa.
Fanambaràna azoko no niakarako tany;
ka nasehoko tamin’izy ireo, indrindra fa tamin’ireo nanan-kaja kokoa,
ny Evanjely torìko any amin’ny Jentily,
hahitany na efa nihazakazaka tokoa aho, na efa nihazakazaka foana.
Nony hitany aza fa izaho no nametrahana ny Evanjely ho an’ny tsy voafora,
tahaka an’i Piera ho an’ny voafora,
satria izay niasa tamin’i Piera haha-Apôstôly azy amin’ny voafora ihany
no niasa tamiko koa haha-Apôstôly ahy ho an’ny Jentily,
sady fantany koa ny fahasoavana nomena ahy,
dia ny nandray tanana anay sy i Barnabe no nataon’i Jakôba sy i Sefasy ary i Joany,
izay natao ho andry fiankinana,
ary izany no mariky ny firaisana, na izahay aza ho any amin’ny Jentily,
fa izy ireo kosa ho any amin’ny voafora.
Hany hafany dia ny hahatsiarovanay ny mahantra;
ka zavatra nahazoto ahy rahateo ny hanao izany.

Nony tonga tany Antiôkia anefa i Sefasy, dia notoheriko an-kitsirano izao,
fa hita fa nanan-tsiny izy.
Satria fony tsy mbola tonga ry zareo sasany avy any amin’i Jakôba,
dia niara-nihinana tamin’ny Jentily ihany izy;
kanjo nony tonga ry zareo ireo, dia niala izy, ka lasa nihatakataka,
fa natahotra an-dry zareo voafora.
Ary nisy aza Jody sasany, niara-nanao tsikombakomba taminy koa,
ka voatarik’izany hatramin’ny tenan’i Barnabe.
Vao hitako kosa fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ny Evanjely izy ireo,
dia i Sefasy no nilazako teo anatrehan’ny olona rehetra hoe:

“Koa ianao Jody aza re, manaraka ny fomban’ny Jentily, fa tsy ny an’ny Jody;
ka ahoana no dia ahasahianao manery ny Jentily hanaraka ny fomban’ny Jody?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 116, 1. 2

Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely.

Ianareo firenena rehetra,
aoka hiara-midera ny Tompo.
Ry vahoaka eran-tany tontolo,
aoka hiantsa ny Tompo ianareo.

Ny fitiavany anay tsy mba lefy,
tsy mivadika mandrakizay!
Hankalaza ny Tompo àry isika:
Izy Tompo manjaka amintsika.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 1-4)

Ampianaro hivavaka izahay Tompo ô.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nivavaka tao amin’ny fitoerana anankiray,
ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy:

“Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko,
tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany.”

Ary hoy Izy taminy:

“Raha mivavaka ianareo manaova hoe:
Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao.
Ho tonga anie ny fanjakanao.
Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro.
Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay.
Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal. 1, 13-24)

Nanambara ny Zanany tato anatiko Izy, mba hitoriako Azy any amin’ny Jentily.

Ry kristianina havana,
efa renareo ihany ny toetrako fony aho mbola nanaraka ny fivavahan’ny Jody,
fa nanenjika fatratra ny Eglizin’Andriamanitra sy nandrava azy aho;
ary nandroso tamin’ny fivavahan’ny Jody mihoatra noho ny maro indray nihira tamiko teo amin’ny fireneko aho,
sady fatra-pitàna ny lovan-tsofina avy amin’ny razako.
Nefa, nony sitrak’Andriamanitra ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko,
sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany,
ny hanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ny Jentily,
niaraka tamin’izay, dia tsy naka hevitra tamin’ny nofo aman-dra aho
na niakatra tany Jerosalema ho any amin’ny Apôstôly talohako akory,
fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damasa indray.
Efa telo taona taty aorian’izany, vao niakatra hamangy an’i Piera tany Jerosalema aho,
sy nitoetra tao aminy tapa-bolana.
Fa ny Apôstôly sasany, dia tsy nisy hitako afa-tsy i Jakôba rahalahin’ny Tompo ihany.
Izao zavatra lazaiko soratako aminareo izao anie,
dia lazaiko marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa tsy mandainga aho!
Taorian’izany, dia nankany amin’ny faritanin’i Siria sy Silisia aho.
Tsy mbola nisy nahita tava ahy akory ny Eglizy rehetra tany Jodea ao amin’i Kristy;
fa vao ny lazako fotsiny no reny hoe:
Ilay nanenjika antsika fahiny, dia indro ankehitriny,
mitory ny finoana notadiaviny hofoanana taloha.
Ka dia ny mankalaza an’Andriamanitra noho ny amiko no nataony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 138, 1-3. 13-14ab. 14d-15

Tariho aho ho amin’ny lalan’ny fiainana mandrakizay, ry Tompo.

Tompo ô, mandinika ahy Ianao, ka mahafantatra!
Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana;
mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro!
Voadinikao aho na mamindra na miato,
ny lalako tsy misy manavao Anao.

Ianao no nahary tongotra aman-tanana ahy,
sy Mpiaro ahy hatrany an-kibon’ineny.
Midera Anao aho fa mahatalanjona ity Ianao!
Eny, mampitolagaga ny asanao.

Fantatrao hatrizay ny fanahiko;
tsy niafina taminao ny tenako,
fony izaho niforona tao amin’ny miafina,
sy nitenona tamim-pahakingana tao anatin’ny tany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 38-42)

Nandray Azy tao an-tranony i Marta. I Maria no nifidy ny anjara tsara.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia niditra tamin’ny vohitra anankiray,
ary nisy vehivavy atao hoe Marta nandray Azy tao an-tranony.
Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy,
izay nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny;
fa i Marta kosa sahirana tamin’ny fanompoana be.
Dia niato kely izy ka nanao hoe:

“Tompoko, tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery?
Mba asaovy manampy ahy re izy.”

Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe:

“Marta, Marta, maro tadiavina sy be tebiteby ianao,
nefa zavatra iray monja no ilaina;
fa i Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...