• Hotanterahana ny 8 sy 9 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ireo olom-boatokana eto Madagasikara... • Sady mikolo ny fanahy no mikajy ny tranobe iombonana ny tanora katolika tao amin'ny Distrikan'i Begavo, Diosezin'Ambaja, tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo... • Niseho voalohany teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera ao Vatican ny Papa François omaly...

♦ Ny orinasa Green Mada Land no nahazo ny fifanarahana hanofa mandritry ny 50 taona azo havaozina ny Nosy Sakatia araka ny fampahafantarana nataon'ny Ministeran'ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany... ♦ Anjaran'ny Faritra Anôsy indray no nisitraka ny fandaharan'asa Fijery Hafa ka vehivavy voafonja miisa 15 nahavita fiofanana momba ny zaitra tao amin'ny fonjan'i Taolagnaro no notoloran'ny Ministeran'ny Fampianarana teknika sy Fanofanana Arak'Asa mari-pahavitana fiofanana... ♦ Miditra amin'ny andrana ara-teknika tapany fahatelo ny zotra volomboasary miainga eo amin'ny La City Ivandry hatrany Ambatobe ny fitanterana an-tariby (TPC)...

♦ Olona miisa 8 no voasambotra, nisy ny naratra vokatry ny fifandonana teo amin'ny vahoakan'i Toliara sy ny mpitandron'ny filaminana omaly alahady, tsy tontosa ny hetsika famoriam-bahoaka nokasain'ny solombavambahoaka Siteny Randrianasoloniaiko natao tao antampon-tanànan'i Toliara... ♦ Nahemotra amin'ny volana aogositra izao indray ny fahatongavan'ny kabeson'ny Ampanjaka Toera an-tanindrazana, tapaka izany taorian'ny fihaonan'ny solontenan'ny fianakaviana sy ny olom-boafidy tamin'ny filoha Andry Rajoelina... ♦ Tsy nahitana fiakarany ny vidin'ny lasantsy sy ny gazoaly raha niakatra 200Ariary isaky ny litatra ny solika fandrehitra...

Vao nigadona ny volana avrily dia efa nafana ny toe-draharaha tao Andrenivohitr’i Gasikara. Ambony be ny fanantenana fa hiverina araka ny nampanantenain’ny mpitantana azy ny hasin’Antananarivo amin’ny maha renivohitra azy eo amin’ny lafiny filaminana sy fahadiovana ary fandriam-pahalemana. Telo andro teo no nanomanan’ny ekipan’ny Ben’ny Tanàna ireo mpivarotra amoron-dàlana fa tsy maintsy hirosoana ny famindran-toerana azy ireo mba ahafahana manadio ny toerana, hampalalaka ny làlana ary ny fanatanterahana ny foto-drafitrasa kasain’ny Kaominina ho tanterahina.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...