♦ Nametraka fitoriana mahakasika ny herisetra nahazo ireo mpanao gazety omaly ary mangataka fifonana avy amin'ny tompon'andraikitra eo anivon'ny zandarimariam-pirenena ny holafitry ny mpanao gazety... ♦ Nanodidina ny 50 teo ireo olona efa voasambotra sy efa navotsotra nandritra ny hetsika "Leo delestage" nanerana ny nosy, izy ireo izay narovan'ny mpisolovava am-polony niasa an-tsitrapo... ♦ Tsy midika ho gaboraraka ny fanomezan-dàlana haneho-hevitra hoy ny fanambarana nataon'ny teo anivon'ny EMMONAT, nilaza ny hijoro hiaro ny tany tan-dàlana izy ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...