♦ Hanatevin-daharana ny hetsika "Leo delestazy sy tsy fisian'ny rano" eny Ambohijatovo anio voalohan'ny volana oktobra ny sendikan'ny mpiasan'ny JIRAMA, hetsika izay tsy nahazo alalana avy amin'ny prefektora ny fanatanterahana azy... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana faobe ihany koa manomboka anio alarobia ny mpiasam-panjakàna izay tarihin'ny valaben'ny firaisankinan'ny sendikan'ny mpiasam-panjakàna (SSM)... ♦ Voatohitohina amin'ny fanatanterahana ny asany ireo mpanao gazety manao ny fandrakofam-baovao amin'ny hetsika "leo delestazy sy tsy fisian'ny rano", mijoro miaro ny mpanao gazety araka izany ny holafitra sy ireo fikambanan'ny mpanao gazety marolafy...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...