• Mety ny sabotsy izao vao hikatona tanteraka ny lisi-pifidianana ampiasaina amin'ny 11 desambra 2024. Efa mandrakitra anaty ordinatera ireo anaran'ny mpifidy vaovao nahazo “ordonnance”, ny eo anivon'ny CED...
  • Vola hatrany amin'ny 500 tapitrisa Dolara no very amin'ireo firenena aty amin'ny Ranomasimbe Indiana, noho ny jono tsy ara-dalàna. Misy ny fiofanana momba izany, tanterahana eto amintsika...
  • Orinasa an'ny teratany vahiny no nahazo ny tany manamorona ny farihin'Andranotapahana. Nilaza androany ny Ben'ny Tanànan'i Talatamaty teo aloha fa nanakana ny dingana rehetra nangatahana ny tany izy...

  • Hisitraka ny fandaharan'asa "Mifampitsimbina" hanampiana ireo tokandrano marefo, ny tokantrano miisa 50.000 manerana ny nosy. Natomboky ny filohan'ny Repoblika tao an-drenivohitra ny fizarana vary 1 gona sy ny sakafo sy PPN...
  • Nampiakatra ny toerana misy ny kandidà ben'ny tanàna natolotry ny antoko miaradia amin'ny Fanjakàna ao an-drenivohitra ny fifanaratsiana eo amin'ny samy mpanohitra hoy ny antoko PRM...
  • Mbola misy eto Madagasikara ny aretina Pesta. Distrika 45 no ahitana ny pesta atoditarimo sy ny pesta aretin-tratra hoy ny tale misahana ny ady amin'ny areti-mifindra, ao amin'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka...

Ny fandoavan-ketra no afahana maneho fa olom-pirenena ny olona iray. Ny hetra no isan'ireo afahana mampandroso ny tanàna iray ; rehefa mahaloa hetra isika dia afaka maneho hevitra amim-pahalalahana, isan'ireo mpamatsy vola ny fampandrosoana ihany koa mantsy. Ny safidy nataon'ireo solombavambahoaka mikasika ny teti-bolam-panjakàna dia safidy tsy mahasoa, no sady fanaovana tsinotsinona ny fampianarana sy ny fahasalamana ary ny fambolena izay foto-piveloman'ny Malagasy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

  • Mitaky  ny mangarahara momba ny lisi-pifidianana hampiasaina amin'ny fifidianana eny anivon'ny kaominina amin'ny 11 desambra ny solombavambahoaka TIM. Misy ny lesoka tsikaritra tamin'ny dingana narahana tamin'ny fangatahana ny didy avy amin'ny fitsarana na ny "ordonnance" afahana misoratra anaty listra hoy izy ireo...
  • Nigadona teto Madagasikara omaly ny andiany faharoa amin'ny biby nahondrana antsokosoko tratra tany Thaïlande ny voalohan'ny volana mey lasa teo. Tsy misy atahorana ny fahasalaman'ireo biby hoy ny tompon'andraikitra...
  • Miroso ny tetik'asa fanavaozana ao amin'ny fadintseranana malagasy. Ampiasaina ny saina voatr'olombelona hanafainganana ny famoahana entana...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...