Zoma 10 aprily 2020 — Zoma Masina — Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan'i Masindahy Joany 18, 1-40 ; 19, 1-42 — Nanolo-tena hanaiky hatramin'ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin'ny Hazofijaliana. Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.

♦ Hankalaza ny hateloana masina manomboka anio ny kristianina. Amin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana tsy atreham-bahoaka anefa no hanatanterahana izany ho fisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina Covid... ♦ Manara-maso ireo toerana misy ny tsy fanajana ny fihibohana ao aorian'ny amin'ny 12 antoandro ny ao amin'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena...

(08-04-2020) Manoloana izao trangan'aretina manerantany izao dia tsy afaka misaraka ny tambazotram-pirenena sy ny fiainan-tokatrano.

♦ Hotanterahina eny amin'ny Katedraly Andohalo anio maraina manomboka amin'ny 08 ora, tsy atrehan'ny kristianina, ny fanamasinana ny menaka masina ho an'ny arsidiôsezin'Antananarivo... ♦ Manana zava-maniry ahafahana manasitrana ny aretina ateraky ny Coronavirus i Madagasikara...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...