♦ Vita ny 90% amin'ny fanamboarana ny kianja Barea ao Mahamasina. Ao no handraisana ny fetim-pirenena sy hanaovana ny matso amin'ny faha 26 jona ho avy izao... ♦ Mitaky ny hivoahan'ny marina momba ny antony nahafaty an'i Menndrika tovolahy 15 taona, nonina tety Ivato ny mpiara-monina. Miantso ny fandraisan'andraikitry ny fitondram-panjakàna... ♦ Notontosaina omaly ny fanadinana CEPE Katôlika manerana ny nosy, ho fanehoana ny maha izy azy ny sekoly katôlika no tanjona hoy ny DINEC... 

Rehefa tafahoatra ny fihatsarambelatsihy sy ny fomba amam-panao tsy voahevitra dia misavoritaka ny mpianakavy. Iretsy voalaza etsy aloha dia misy lafiny ratsy sy lafiny tsara amin'ny fifandraisana ara-pianakaviana, tahaka ny zavatra rehetra ihany. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria... 

Alarobia 16 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18

♦ Notanterahana androany ny fanadinana CEPE Katôlika manerana ny nosy. Ho fanehoana ny maha izy azy ny sekoly katôlika no tanjona kendrena, hoy Mompera Ranivoson Jules, Talen'ny DINEC... ♦ Mitaky ny ivoahan'ny marina momba ny anton'ny nahafaty an'i Mendrika, tovolahy 15 taona monina ety Ivato, ny mpiara-monina sy ireo niara-niaina taminy. Miantso ny fandraisana andraikitry ny fitondram-panjakana ihany koa izy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...