Bokin'i Izaia Mpaminany (Iz 60, 1-6)
Mitsangàna, ka mamirapirata, ry Jerosalema,
fa miposaka ny fahazavanao;
ary miposaka eo aminao ny fahazavan’ny Tompo.
Indro ny haizina fa manarona ny tany,
ary ny haizim-pito manarona ny firenena;
fa ny Tompo kosa no miposaka eo aminao;
ary ny voninahiny miseho eo aminao.
Mandroso eo amin’ny fahazavanao ny firenena
ary ho eo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao ny mpanjaka.
Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo,
izy rehetra mivory mankaty aminao;
ny zanakao lahy tamy avy lavitra;
ny zanakao vavy entina an-trotroana.
Hahita izany ianao amin’izay, ka ho miramirana;
hibitaka sy hiravoravo ny fonao,
fa hivantana aminao ny haren’ny ranomasina;
ary ho tonga ao aminao ny rakitry ny firenena.
Ho rakotry ny angamenavava zavon-tany
mbamin-drameva avy any Madiàna sy Efah ianao;
ny any Sabà rehetra ho avy,
hitondra volamena sy emboka manitra
ary hitory fiderana ny Tompo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 71, 2. 7-8. 10-11. 12-13
Andriamanitra ô, omeo ny fahefanao ny mpanjaka,
omeo ny fahamarinanao ity taranak’andriana:
ka ny olonao hotsarainy ara-drariny,
ny malahelonao araka ny hitsiny.
Ny rariny hamony amin’ny androny,
ny fiadanana hiroborobo mandavantaona.
Ny fifehezany dia hatramin’ny Ranomasina
ka tonga amin’ny Ranomasina; manomboka amin’ilay Ony
ka mipàka amin’ny faran’ny tany.
Ny mpanjakan’i Tarsisa sy ireo nosy
ho tonga eo aminy handoa hetra;
ny mpanjakan’i Saba sy Sèba kosa
ho avy hitondra hasina aminy;
ny mpanjaka hiankohoka avokoa,
ny firenena rehetra hanompo azy.
Izy hanafaka ny ory mitoloko
sy ny madinika tsy manan-kanampy;
ny osa, ny mahantra hotsimbininy;
ny ain’ny malahelo hovonjeny.
Taratasin'i Masindahy Paoly Apôstôly ho an'ny krisitianina tany Efezy (Efez 3, 2-3a. 5-6)
Ry kristianina havana,
aoka ho renareo ny fanambaràna ny fahasoavan’Andriamanitra
izay nomena ahy ho anareo,
izany hoe,
ny fanambaràna nampahafantatra ahy ny zava-miafina,
izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona
tamin’ny taranaka tany aloha,
toy ny nanambaràna azy ankehitriny
tamin’ny apôstôliny masina sy ny mpaminaniny
ao amin’ny Fanahy Masina, dia izao:
Ny Jentily dia tonga iray lova sy iray tena
ary mpiombona ny fampanantenana amin’ny Jody
ao amin’i Kristy Jesoa,
noho ny ninoany ny Evanjely.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 2, 1-12)
Rehefa teraka tao Betilehema any Jodea i Jesoa
tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka,
dia indreo nisy Majy avy tany Atsinanana
tonga tany Jerosalema nanao hoe:
“Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka?
fa efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay,
ka nankaty mba hitsaoka Azy”.
Raha nahare izany i Herôda mpanjaka,
dia taitra izy mbamin’i Jerosalema rehetra,
ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra,
sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy,
ary nanontany azy hoe:
“Aiza no hahaterahan’i Kristy?”
Ary hoy ireo taminy:
“Ao Betilehema any Jodea,
fa izao no voasoratry ny mpaminany:Ary ianao, ry Betilehema tanin’i Jodà,
tsy ianao no kely indrindra amin’ny renivohitr’i Jodà,
fa avy ao aminao no hivoahan’ilay Mpanjaka
izay hifehy an’i Israely oloko”.
Dia nalain’i Herôda mangingina ny Majy,
ka nohadihadîny fatratra
ny andro nisehoan’ny kintana taminy.
Ary naniraka azy ho any Betilehema izy nanao hoe:
“Andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza;
ary rehefa hitanareo,
dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka Azy”.
Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa.
Ary indro ilay kintana hitany tany Atsinanana,
fa nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zaza.
Faly dia faly izy nony nahita ny kintana,
ary rehefa tafiditra tao an-trano izy,
dia nahita ny Zazakely sy i Maria Reniny,
ka niankohoka nitsaoka Azy;
ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny,
dia nanolotra fanatitra ho Azy izy,
dia volamena sy emboka manitra ary mira.
Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo
tsy hiverina any amin’i Herôda,
dia lalan-kafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Fampianarana feno ny vavaka nampianarin'ny Tompo, sady fangatahana fiarovana avy amin'Andriamanitra. Ilay teny famaranana "AMEN" dia manambara fankatoavana sy fanekena. Ny vavaka "Rainay any an-danitra..." nampinaran'i Jesoa an'ireo Apôstôly dia mahafeno ny fepetra rehetra ho isan'ny vavaka tsara indrindra... Katesizy momba ny vavaka nampianarin'ny Tompo, iarahana amin'i P. Wagner Randriamapandry.
29 desambra 2024 — Ny Fianakaviana Masina — Fety — Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 41-52)
Alahady aorian’ny nahaterahan’ny tompo - fetin'ny fianakaviana masina : fianakaviana mifankatia, lanitra ety an-tany ; Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy; ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy. Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny zanaka, mitondra hafaliana sy hasambarana eo amin'ny mpivady. Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny mahazanaka antsika. Tokony hotsaroin'ny ray aman-dreny fa tsy izy ireo no tompon'ny zanaka fa adidiny no mampahafantatra ny antson'Andriamanitra ao amin'io zanany io. Manasongadina ny fifandraisan'ny zanaka sy ny ray aman-dreny ny Eglizy ary manentana ny tsirairay haneho fifanajana, fifankatiavana...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco