‘Ndao mba hiresaka baolina indray isika anio! Tsy dia ilay baolina dakana ambony kianja iny loatra fa ilay ekipam-pirenentsika no tian’ny Arofanina hisarihana ny saintsika eto, dia ny Barea izany. Ny Barea, ilay ekipa mahavita mampitovy hevitra ny Malagasy rehetra, anatin’ny fisamatsamahana entin’ny rivotra sosialy sy politika ankehitriny.

Tadidintsika ny datin’ny 15 jolay 2019, olona zavon-tany no nitsena ireo mpilalaon’ny Barea, rehefa avy niatrika CAN tany Ejipta, niainga avy ety Ivato nankao an-drenivohitra ao. Tsapa tamin’izany fa hany fitaovana tokana ny Barea handrisihana ny olom-pirenena ho tia tanindrazana, hanandratra ilay loko fotsy, mena, maitso, tsy ilàna fanentanana akory. Tsy misy tsy mahalala ny Barea hatramin’ny zaza vao mandady, taona vitsivitsy izay. Hatramin’ny soratra akanjo, anaran-tsakafo… dia Barea… Barea!

Any Maroc any amin’izao ry zalahy Barea, miady mafy, mandranitra tandroka fa sao mba hanao Mondial, rehefa avy niatrika CAN. Nampifalifaly ny Malagasy rehetra indray ny zoma teo ny Ombalahy be vozona, tsy mifidy tany iadiana, rehefa nahita fandresena, izay tsy nisy volana maromaro lasa. Dia iny no resaky ny mpanara-baovao, tsy ny tia baolina kitra ihany, satria nandresy, faly, ravo, tahaka ny hoe: afaka ny sorisorim-piainana. Toa velom-panantenana izany ny rehetra rehefa hoe mandresy izay. Fa ny aza resy kosa aloha fa… mahazo an… Mahazo kiana mafy, tsikera, hatramin’ny ompa sy ozona aza mianjady amin’ny mpanazatra, ny mpilalao, ny mpitantana ny Federasiona, ao anaty tambajotran-tserasera ao. Am-boalohany dia Hôzana, Hôzana ho an’i Corentin Martins (English) ny anay e… raha sendra tsy mahomby, na potraka: homboy, homboy, mialà mialà. Lasa vazivazy aza fa toa lasa mahay noho ny mpilalao sy ny mpanazatra ny mpanohana ny Barea.

Dia tsorina eto aloha fa toetrantsika Gasy io sakaizan’ny mpandresy io… Hatramin’ny mpitantana aza, manilika ny tsy fahombiazana amin’ny fanabeazana amin’ny hafa. Ilàna fanabeazana lavitra ezaka ireo toetra ireo, hoy ny Arofanina. Ndao atao hoe misy rariny ihany ny fihetsitsika, satria sarotiny amin’ny an’ny tena. Marary tokoa satria vola an’apitrisany maro no laniana amin’ny Barea. Ny fitaterana, ny sakafo, ny hofana hotely, indrindra ny karama isam-bolan’ny mpanazatra vahiny. Fa tsara tohana kosa aloha ny Barea e! Mamoaka vola ny Fanjakana, mandany vola ny Federasiona, manohana hatramin’ireo orinasa tsy miankina. Fa toa misy takalony ihany indrindray, hoy ny Arofanina. Ampidirana firehan-kevitra, atao fitaovana politika, na dia iniana takonana amin’ny fotsy, mena, maitso aza ny Barea. Miharihary izany satria na ny mpitantana ilay taranja aza mpanao politika. Asehoseho mihitsy indraindray fa vokatry ny fanohanan’ny mpanao politika ianona sy ianona no nahazoana ny vokatra. Tsikaritra koa aza fa tsy tohanana ny ekipam-pirenena, raha tsy mitovy loko amin’ny mpitondra ny mpitantana eo. Hiteraka fahapotehana amin’ny fanatanjahantena amin’ny ankapobeny io fomba fanao io, hoy ny Arofanina. ‘Ndao alefa lavivaditra ihany ny eritreritra: satria efa tsara tohan’ny mpitondra ny Barea. Maninona moa raha atao tsara tohana koa ny fiaimpiainan’ireo mpanohana, dia ny Malagasy rehetra izany e? Mba atao tsara tohana ara-tsakafo tahaka ny mpilalao ny vahoaka tsy mandady harona. Mba atao tsara karama tahaka ny mpanazatra ny mpiasa. Raha izay no misy dia handresy mora foana an-dRafahantrana isika. Farafaratsiny, ady sahala, mba tsy hitoko amintsika Ra-Fahasahiranana lava.

Ry mpitondra ô ! Ataovy MBA HO RE A! MBA HO RE fa mba tena manohana ilay firenena ianareo e. Amin’izay dia mba misy vokany ny fitantanana, fa tsy hibarareoka sy ho baranahiny lava eto isika. Hahomby, handresy toy ny omby Barea ny zoma teo ny vahoaka Malagasy. Hamafisin’ny Arofanina indray hoe: ALEFA RE, ry Mpitondra a! ALEFA MBA HO RE A!

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...