Amin'ny zava-tsarotra lalovan'ny fiainan'ny mpivady dia ny fifankaherezana sy fifanohanana no lalana tsara indrindra hiatrehana an'ireny sedra samihafa ireny...
Zoma 12 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28b-34
♦ Hifarana rahampitso ny fe-potoam-piasan'ireo mpikamban'ny HCC. Miankina amin'ny fivorian'ny vondrona parlemantera no handrotsahan'ny antoko Tiako i Madagasikara kandindà ho solontenan'ny Antenimieram-pirenena ao na tsia... ♦ Nahatratra 500 tapitrisa dolara ny vola very teo amin'ny sehatry ny fizahan-tany teto amintsika ho an'ny taona 2020, vokatry ny fisian'ny Covid-19...
♦ Maro ny aretina mifandray sy mifampiankina amin'ny fahadiovana sy ny tontolo iainana, iray amin'izany ny "Pesta". Ny pesta dia azo avy amin'ny voalavo marary, hafindran'ny parasy amin'ny olombelona sendra azy. Mbola ao anatin'ny vanim-potoana fisian'ny pesta isaka izao (Aogositra-Aprily), misy distrika miisa 45 mbola ahitàna tranga eto Madagasikara. ♦ Tsakafy : sokatra kely miaina an-tanety, hitan'ny mpikaroka tamin'ny taona 1927, mirefy 122 hatramin'ny 126 mm...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco