• Manahy ny hidiran'ny mpandraharaha tsy miankina hanana petra-bola eo anivon'ny orinasa Jirama, ny Sendikan'ny SMARM. Manosika azy ireo ho amin'izany fanahiana izany izay tapaky ny Filankevitry ny Minisitra tany Mahajanga... • Tsy tanteraka ny hetsiky ny Paramed eto Antananarivo, nanehoana fiombonam-po amin'ireo namany maty sy nisedra olana teo am-panatanterahana ny asany. Voasakana tsy hiditra ny Hopitaly HJRA izy ireo androany... • Tsy mbola ampy hitsarana ny mpanazatra Corentin Martins ny lalaon'ny Barea omaly, hoy i Maître Titi Rasoanaivo. Nambarany anefa fa nisy fiovana kosa ny ekipam-pirenena...
• Misy 20 mahery ireo endrika kolikoly mety mitranga amin'ny fanomezana tsenam-baro-panjakana eto amintsika, hoy ny Fahefam-panjakana mandrindra ny tsenam-baro-panjakana na ny ARMP... • Tonga manatanteraka iraka manokana eto amintsika ny Minisitra Delege eo anivon'ny Minisitera Eoropeanina misahana ny Raharaham-bahiny an'ny Francophonie sy ireo mpiara-miasa iraisam-pirenena, Andriamatoa Thani Mohamed Soihili... • Baobab nains, miisa 188 no sarona tany Mahajanga, raha 840 kosa no tra-tehaka tany Antsohihy. Saika hahondra an-tsokosoko avokoa izy ireo...
• Laharana voalohany vonjimaika ao amin'ny Vondrona 1 misy azy ny ekipam-pirenena Barea, tao aorian'ny lalao nifandonany tamin'i Centrafrique omaly. 4 sy 1 no isa nibatan'ny ekipam-pirenena malagasy ny fandresena... • Hanatanteraka hetsika ho firaisam-po ny Paramed manerana ny nosy anio alakamisy 20 marsa. Tsy hisy ny asa ataon'izy ireo eny anivon'ny CSB sy ny hopitaly, ankoatra ny fiandrasan-draharaha... • Belo Tsiribihina - Morondava : Nitrangana loza an-dranomasina namoizana ain'olona efatra ka ny roa olon-dehibe ary ankizy ny roa hafa. Mpandeha miisa 8 no mbola karohana...
20 marsa — Zanaky ny manam-boninahitra tao amin'ny tafik'i Clovis faharoa i Wulfran. Rehefa maty ny rainy dia niala tao amin'ny toby izy ka nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ary nomeny an'ireo mpitoka-monina tao Fontenelle ny taniny.
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco