• Tsy maintsy miroso amin'ny fikitihana sy ny fanovàna ny lalam-panorenana hoy ny tale kabinetry ny filohan'ny CENI ny fangatahana fandravàna ny CENI. Tsy misy andraikitry ny CENI hoy izy ny fikarakarana ny fifidianana nataon'ny mpanolontsaina tao amin'ny kaominina Antananarivo-renivohitra...
  • Niova sahady ny vidin-tsolika eny amin'ny toby mpaninjara. Nidina 5.500 Ariary ny litatry ny lasantsy. Niakatra ho 4.890 Ariary ny gazoala. Fiovan'ny vidin-tsolika fandroany tamin'ity taona ity...
  • Omena sehatra lehibe ao amin'ny Faritra Anôsy : ireo tompon'andraikitra eny ifotony miandraikitra ny faritra arovana...
  • Vonona hiroso amin'ny fifampidinihana amin'ny filoha rosianina Vladmir Poutine ho fampitsaharana ny ady any Ukraine ny filoha Okrenianina Volodymyr Zelensky...

  • Mbola hitohy amin'ny tapany avaratra andrefan'ny nosy ny rotsak'orana. Faritra maromaro no mahazo fampitandremana miloko mena. Nahitana izany omaly ny tany amin'ny Faritra Betsiboka sy ny tapany avaratr'Alaotra Mangoro...
  • Mitady hiverina indray ny endrika sakatsakana tamin'ny taona 2015 amin'ny fitakiana atao hoy ny sendikalista. Nangata-panazavana momba ireo namany nohadiadiana teny Fiadanana ny Randrana Sendikaly...
  • Niroso tamin'ny fandravana ireo trano manohitohina ny asa fanamboarana ny lalana Rocade mankety Ivato ny tompon'andraikitra nanomboka omaly...
  • Nihaona tao Etazonia omaly ny filoha amerikana sy ny praiministra israelianina. Nambaran'i Donald Trump fa hiroso amin'ny fanaraha-maso maharitra ny faritr'i Gaza i Etazonia...

I Masimbavy Agathe no tsaroana ny 05 febroary. Zanak'olona mpanan-karena sy avo razana, kristianina tao Catane (Sicile) i Agathe. Niaina tamin'ny fotoana nanjakan'ny Amperora Dèce tamin'ny taonjato fahatelo izy. Mbola kely izy dia efa nivoady ny tsy hanambady.

Ambaran'ny Paoly Apôstôly fa tsy haintsika akory ny mangataka izay tena ilaintsika. Mitaky toe-po sy toe-panahy ny fomba fivavahana, mila fanetren-tena, fahatsorana, sady atao anaty finoana sy fanantenana ary fitiavana. Tsy tokony ho mailaka hangataka fotsiny isika, fa mila miaiky heloka aloha, milofo mitalaho ny famindram-pon'Andriamanitra, miondrika eo anatrehany ary midera sy misaotra Azy... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...