♦Mbola tsy voafaritra aloha hatramin'izao na ho tanteraka na tsia ny famerenana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolontsaina any amin'ireo kaominina izay nahitàna olana, nandritra ny fifidianana farany teo... ♦ Nanjombona tsy toy ny isan-taona ny fanamarihana ny fetin'ny asa omaly voalohan'ny volana mey ho an'ny sendikan'ny mpiasa FISEMARE... ♦ Nandrombaka medaly volamena 20 isa ny atleta Malagasy fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika natao tatsy Maurice... ♦ Mangata-bavaka amin'ny Kristianina, indrindra ny mpino katôlika, ireo kardinaly mivory ao Rome ankehitriny mba ho tontosa saoamantsara ny "conclave" izay ho atrehan'izy ireo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...