♦ Nankalaza ny faha-10 taona ny ansiklika Laudato Si, isika Malagasy. Tamin'ny alalan'ny Sorona Masina teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo no nanehoana izany sady nanokafana ihany koa ny herinandron'ny Laudato Si... ♦ Nitokana zava-bita tao Nosy-Be ny filohan'ny Repoblika nandritra ny dia nataony tany. Nanolotra fanampiana ho an'ny vahoaka tao an-toerana ihany koa... ♦ Mitohy ny tolona hitakiana ny fandehanan'ny fiainan'ny firenena amin'ny tokony ho izy hoy ny Filohan'ny Hery Politika Mitambatra. Tsy tokony hametraka sakana amin'izany ny Prefet an'Antananarivo hoy Pr Ralison Roger...
♦ Misy mivohy resaka politika ny asan-dahalo mitranga ao amin'ny Distrika Isandra. Nifandona tamin'ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ireo daholo ny alakamisy teo. Dahalo miisa 4 no maty, iray ny mpanara-dia... ♦ 25 taona nanabeazana tanora ny sekoly ambony ESSVA ao Antsirabe. Nankalazaina omaly ny ivon'ny fankalazana... ♦ Niampy 7 isa indray ny alika ampiasain'ny fadintseranana malagasy iadiana amin'ny osoka sy ny fanondranana antsokosoko harena voajanahary. Notolorana mari-piofanana ny Malagasy Mpibaiko azy ireo... ♦ Mangataka fanampiana ho an'ny mponina ao Gaza ny Sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana...
24 mey — Misy ireo tetiandro sasantsasany ahitana ny ny hoe Sainte Marie Auxiliatrice, na ihany koa amin'ny teny malagasy hoe Masina Maria Vonjin'ny kristianina. Amin'ny ankapobeny dia ny fikambanana Salezianina naorin'i Don Bosco no tena miantso an'i Masina Maria amin'io anarana io.
• Manamafy ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny ady amin'ny hosoka ary ny fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary, ny fandin-tseranana malagasy. Namoaka ny andiany faharoa min'ny Brigade canine, izy ireo androany... • Dahalo miisa efatra no lavon'ny balan'ny zandary tao amin'ny Distrikan'Isandra. Olona iray isan'ireo mpanara-dia koa no maty nandritra ny fifandonana, ary olona efatra hafa naratra... • Miato noho ny faharatsian'ny andro ny fitaterana an-dranomasina anatin'ny fari-piadidian'ny APF any Sainte Marie, nanomboka androany zoma...
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco