♦ Fiaraha-mitantan'ny Governemanta, eo ambany fitarihan'ny Praministra Ntsay Christian, ny fitondrana ny firenena amin'izao fotoana izao, araka ny fanapahana navoakan'ny HCC... ♦ Notokanana sy notsofin-drano omaly ny EKAR Olotsambatra Jacques Désiré Laval, any Sahavola, Fenoarivo-Atsinanana... ♦ Afa-po tanteraka ny mponina any Alaotra-Mangoro noho ny fahavitan'ny lalam-pirenena faha-44 , izay nofy ratsy niainan'izy ireo hatramin'izay... ♦ Any Maroc, tafakatra 2.100 isa ankehitriny ny olona namoy ny ainy, vokatry ny horohoron-tany izay nitranga tany an-toerana tamin'ny zoma hariva...
Mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, eo amin'ny tontolon'ny asa, ilaina eo amin'ny lafiny rehetra isehoan'ny fiainam-piara-monina ny talenta mampiavaka ny vehivavy. Ilaina ny manome sehatra ny vehivavy ary tsy maintsy atao ny ezaka mba ho azo antoka ny fisian'ny vehivavy amin'ny sehatry ny asa. Manana adidy manokana ny vehivavy ao an-tokantrano, zava-dehibe ny maha-reny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
11 septambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 6-11)
Ny fisolona tena ny tanàna na ny faritra na ny firenena dia faneohoana fitiavana tanindrazana. Miombona alahelo ho an'ireo izay nanana havana namoy aina tamin'ny loza nitranga nandritra ny fanokafana ny lalaon'ny nosy, ary mirary fahasalamana ho an'ireo naratra. Ny lalao dia mitaky fitsipika sy lalàna. Ny zava-maneno dia zava-dehibe ary mila fitandremana ny fifehezana azy, indrindra ny mikasika ny feo sy ny zava-maneno. Ireo olomalaza tamin'ny famoronan-kira sy fihirana dia saika olona niaina ny finoana avokoa...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco