11 septambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 6-11)
I Jesoa manasitrana tao amin’i Sinagoga no henontsika teo. Toeram-pivavahana any ifotony, natao hihainoana ny tenin’Andriamanitra sy fampianarana avy aminy ny Sinagoga moa teo amin’ny Jody. Niditra tao i Jesoa. Izay ny Azy fa isika mba ahoana? Izy Andriamanitra aza moa miditra ny sinagoga koa maika fa isika olombelona fotsiny ihany: tena mila miditra ny trano fivavahana isika, ny Eglizy izany fa tsy mety ny hoe: tsy any ihany no azo ivavahana fa na aty an-trano aza. Fanehoana hakamoana sy halainana izany. Trano be tsy mialon-jafy ny Eglizy ka afaka mankany avokoa na iza na iza. Taomy ny ao an-trano rehetra ho any, afa tsy izay mpiandry trano. Eto amin’ity sinagoga ity izao, isan’ny tao ity olona maty tanana ankavanana ity. Fanehoana tsy fahalavorariana izany. Tsy tonga lafatra isika amin’ny maha olombelona ka mila vonjy avy amin’Andriamanitra satria tsy mahavita tena. Tsara raha miankin-doha aminy mandrakariva. Izy Ilay fanaperana sy lavorary indrindra.
Manaraka izany, ny tranon’Andriamanitra natao ivavahana, izany hoe hanamafisana orina ny fifandraisana amin’Andriamanitra, ka tsy mety raha mifampitsikera sy mifanaratsy any. Eto izao dia “Nitsikilo Azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina na hanasitrana amin’ny andro sabata Izy na tsia, mba hahitany antony hiampangana Azy” Midika izany fa tonga hatrany amin’ny trano fivavahana ny ratsy, tsy kely lalana. Fa idiran-doza koa isika raha toa ka mifampiandry kendry tohina, toy ny hita eto. Tsy mifampitsikilo no atao any fa mivavaka re. Andriamanitra banjinina any fa tsy ny hafa. Fa rehefa zatra tsy mikendry afa tsy ny ratsy ho an’ny hafa dia tonga hatrany amin’ny Eglizy mihitsy mitonatonana ka mifampitsikilo. Moa tsy asan’ny ratsy va izany?
Soa fa tsy mitsikilo Andriamanitra fa mahalala ny ao am-po tsy miloaka ka nahafantatra ny hevi-dratsin’ireto mpanora-dalana sy Farisianina ka namaky bantsilana ny hevi-petsiny. Mpijoko voajoko izy ireo amin’izany, mpamandrika voafandrika; hany ka niala maina. Ho an’i Jesoa mantsy ambony ny aina noho ny lalàna, entina hiarovana ny aina ny lalàna fa tsy ampifamadihana, raha tsy izany mankany amin’ny tsy izy. Nanontanian’i Jesoa izy ireo ka tsy nanan-kavaly: “Inona no mety hatao amin’ny sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina sa ny manala aina?” Koa raha mampihatra lalàna manimba aina isika dia mampidi-doza. Ny fanaovan-tsoa sy ny famonjena tsy iandrasana hirika manokana fa na fotoana na tsy fotoana, na an-davanandro na sabata, ho an’ny Testamenta Taloha fa alahady kosa taorian’ny fitsanganan’i Jesoa ho velona, dia tsy maintsy irosoana, toa ny ataon’i Jesoa, sady izany koa moa no anarany : Mpamonjy. Eto izao sitrana ny tanan-dralehilahy, izany hoe namerina azy amin’ny laoniny i Jesoa. Moa tsy izany va no anjara asan’ny Eglizy ankehitriny. Mibaribary izany amin’ny sakramentan’ny konfesy. Ka na eo aza ny sakantsakana, toy ny ataon’ny mpanora-dalàna sy ny farisianina, tsy hampitakemotra ny asam-pamonjena tian’Andriamanitra ho tontosaina izany. Ny antsika mantsy mety tsy ho ny tanana an’ila fotsiny no maty, toy ireo karazam-pahotana mamatotra antsika ka mila ibebahana sy ivalozana fa mety ho roa na ny tenantsika manontolo mihitsy aza no matim-pahotana, toy ny tokantrano maso, ny fandaozana ny Eglizy ka mila sitranina sy velomina amin’ny alalan’ny fanatonana ny sakramenta sahaza izany. Tsy mbola tara e! fa mibebaha mba ho sitranina amin’izany isika.