Manana ny anjara toerany ny Teny Malagasy sy ny fitenim-paritra : eo amin'ny tsirairay izay afahana maneho ny maha-izy ny tena izany hoe anambarana ny fiaviana ; eo amin'ny fiaraha-monina izay fitaovana sy paik'adim-piatiana hidirana amin'ny fiaraha-monina hafa ; eo amin'ny firenena dia vata fitehirizana ny kolonttsaina izay entina mampita ny soatoavina amin'ny taranaka mifandimby ; eo amin'izao tontolo izao, araka izay voafaritra eo anivon'ny UNESCO dia taom-polo (2022-2032) mamaritra fa fitaovana sy fanohitra amin'ny fampandrosoana mateza ny tenin-drazana...
• Nify efatra an'ilay tovolahy kely zanaky ny tompon-trano voatafika teny Ambodiafontsy, no nongotan'ireo jiolahy nandritra ilay fanafihana, ny alakamisy teo. Efa niaiky ny helony izy ireo, nandritra ny fanadihadiana... • Tafakatra 79 miliara Ariary ny vinavinan'ny teti-bola hampiasain'ny Kaominina Antananarivo, ho an'ity taona 2025 ity. Handalo ny fankatoavan'ny Mpanolotsain'ny tanana ny momba izany... • Tsy resaka bozaka loatra, fa ny fitsabahan'ny fanjakana amin'ny asan'ny Federasiona no anisan'ny tsy hahazoan'ny Kianja Mahamasina “homologation”, hoy ny K2HB...
04 marsa — I Masindahy Casimir dia teraka ny taona 1458 tao Cracovie. Faharoan-janaky ny mpanjakan'i Pologne izy. Ny taona 1479 ka hatramin'ny 1481 dia nitantana an'i Pologne izy nandrita ny rainy nipetraka tany Lituanie.
Ny fisoronana dia nifandovana teo amin'ny tantaran'i Israely : rehefa antitra ny mpisorona iray dia mametra-tanana amin'izay taranany handimby azy izy. Toy izany no hita tamin'ny nataon'i Isaaka tamin'i Jakôba izay tokony ho i Esao zokiny no nomena azy. Io fomba io no mbola tanana ankehitriny amin'ny alalan'ny fetrahan-tanana amin'ny sakramentan'ny filaharana... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco