1 mey 2024 — Alarobia, Herinandro fahadimy Fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)

♦ Tany amin'ny 640 km avaratra andrefan'Antsiranana no nisy ny foiben'ilay tangoron-drahona ao avaratry ny Lakandranon'i Mozambika, androany tamin'ny 12 ora. Mety hitombo hery izy io ao anatin'ny roa andro ka hivadika ho rivodoza homena ny anarana Hidaya... ♦ Nitohy androany teny Faravohitra, tamin'ny alalan'ny vela-kevitra narahana adihevitra, ny fanamarihana ny fetin'ny asa, ary hitohy amin'ny filaharam-be ho an'ny rahampitso 1 mey...

♦ Potika ny hasin'ny antoko pôlitika amin'ity fifidianana solombavambahoaka 2024 ity hoy ny antoko MFM. Voatery nitambatra ireo tsy mitovy foto-kevitra na ilay antsoina hoe "alliance contre nature"... ♦ Mihetsika indray ny mpianatry ny Polytechnique eny Vontovorona, mitaky vatsim-pianarana sy fanatsaràna foto-drafitr'asa. Raikitra ny fifandonan'izy ireo sy ny mpitandro ny filaminana ny maraina teo... ♦ Miverina indray ny delestazy eto amintsika. Tsy ampy ny famatsiana herinaratra amin'ny tamba-jotra iraisan'Antananarivo, noho ny fiatoana milina iray any Andekaleka... ♦ Niharan'ny tifitra misilin'ny Rosiana indray ny tao Odessa, any atsimo andrefan'i ukraine, omaly ; olona 5isa no namoy ny ainy ary 23 hafa naratra...

Ny "ankifidy" dia kilalao amin'ny teny, itsapana ny fahaiza-maminany sy mitsara zavatra amin'ny alalan'ny fampifidianana amin-javatra anankiroa ka atao fanontaniana, teny mifonofono misy zavatra roa asaina ifidianana, nefa raha tsy mahay mifidy dia mahazo ny ratsy. Samy azo anaovana ankifidy avokoa : olombelona, biby, zavatra, zava-panao eo amin'ny fiaraha-monina. Ny sakan-jaza sy ny vanton-jaza no manao azy, fa afaka mandray anjara avokoa anefa ny sokajin-taona rehetra. Ohatra : Alao izay ho anao "avy tany, sa 'ndeha ho any?" ilazàna ny hoe avy nandevina sa "ndeha hamosavy". Alao izay ho anao : Be maso anaty vero, sa kely maso anaty vato? izay midika hoe omby sa kary... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...