♦ Nanaitra ny Filohan'ny UCTU ny feo mandeha amin'ny rafitra iray eo ambany fiahian'ny ATT, hisahana miaraka ny fitaterana ao an-drenivohitra sy ny manodidina an'Antananarivo, izay tafiditra amin'ny fanitarana ny tanàn'Antananarivo ao anatin'ilay tetikasa Grand Tanà... ♦ Tsy hamaha ny olan'ny mponin'Antananarivo ilay fotodrafitrasa fivarotan-dranon'ny Kaominina Antananarivo, eny Analakely, hoy ny Mpanolotsain'ny tanàna Hilda Ravelonahiana...
♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 18, 23-28)
Rahefa nitoetra kelikely tao Antiôkia i Paoly,
dia lasa nitety ny tany Galasia sy Frijia, nankahery fo ny mpianatra rehetra.
Ary nisy Jody anankiray atao hoe Apôlô tonga tao Efezy;
teraka tany Aleksandria izy io,
ary lehilahy nahay nandaha-teny sy nahalala tsara ny Soratra Masina.
Efa nianatra ny lalan’ny Tompo izy, ary niteny tamin-kafanam-po,
ka nampianatra tsara ny amin’i Jesoa,
na dia ny batemin’i Joany ihany aza no fantany.
Niteny tamin-kasahiana teo amin’ny sinagôga izy,
ka nony ren’i Prisila sy i Akilasy, dia nalainy hankeo aminy,
nampianariny tsaratsara kokoa ny lalan’ny Tompo.
Naniry hankany Akaîa izy, ka nankasitrahan’ny rahalahy izany,
dia nampitondrainy taratasy izy mba handraisan’ny any azy tsara.
Nony tonga tany izy,
dia nahavita soa be tamin’izay efa nino noho ny fahasoavana.
Fa nahery nandresy lahatra ny Jody ampahibemaso izy,
nampiharihary tamin’ny Soratra Masina fa i Jesoa no Kristy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 46, 8-9. 10
Ry vahoaka rehetra mitehafa tanana.
Miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana.
Fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.
Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Andriamanitra:
koa antsao amim-pirindrana!
Andriamanitra manjaka amin’ireo firenena,
Andriamanitra mitoetra am-piketrahany masina.
Andriam-bahoaka maro no mikambana
amin’ny vahoakan’ny Andriamanitr’i Abrahama;
fa Andriamanitra Andriambaventin’ny tany,
indro voasandratra ambony dia ambony!
Aleloia. Aleloia.
Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 23b-28)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:
“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray,
dia homeny anareo amin’ny Anarako.
Mandraka ankehitriny
dia mbola tsy nangataka na inona na inona tamin’ny Anarako ianareo;
mangataha àry, dia hahazo ianareo, ka ho tanteraka ny fifalianareo.
Fanoharana no nilazako izany taminareo;
fa avy ny andro tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony,
fa hambarako aminareo miharihary ny amin’ny Ray.
Amin’izany andro izany dia hangataka amin’ny Anarako ianareo,
ary Izaho tsy milaza aminareo fa hangataka ho anareo amin’ny Ray Aho,
satria ny Ray tia anareo koa,
noho ny nitiavanareo Ahy sy ninoanareo fa avy amin’Andriamanitra Aho.
Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho;
ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 18, 9-18)
Raha tany Kôrinto i Paoly,
dia hoy ny Tompo taminy, indray alina, tamin’ny tsindrimandry:
“Aza matahotra, fa mampianara, ka aza mangina.
Satria momba anao Aho ka tsy hisy olona hahazo hanisy ratsy anao,
sady be ny vahoakako amin’ity tanàna ity.”
Dia nitoetra tao herintaona sy enim-bolana izy,
nampianatra ny tenin’Andriamanitra tao.
Ary nony i Galiôna no governora tao Akaîa,
dia niray tetika hamely an’i Paoly ny Jody,
ary nitondra azy teo amin’ny fitsarana, ka nanao hoe:
“Ilay ity mitaona ny olona hanaraka ny fombam-pivavahana
mifanohitra amin’ny Lalàna.”
Nony niloa-bava ndeha hamaly i Paoly,
dia hoy i Galiôna tamin’ny Jody:
“Ry Jody, ny amin’ny ratsy natao, na ady heloka
no ihainoako ny fitorianareo;
fa raha izay ady hevitra momba ny fampianarana sy ny anarana, ary ny lalànareo kosa,
raharahanareo izany, ka tsy te-hitsara an’izany aho.”
Dia noroahiny hiala teo amin’ny fitsarana izy ireo.
Tamin’izay dia nosamborin’izy rehetra i Sôstena lehiben’ny sinagôga,
ka nokapohiny teo anoloan’ny fitsarana;
fa tsy nahoan’i Galiôna akory izany.
Mbola nitoetra tao Kôrinto andro maromaro ihany i Paoly,
vao nanao veloma ny rahalahy ka niondrana nankany Siria,
niaraka tamin’i Prisila sy Akilasy,
ary nohetezany tao Senkrea ny volondohany,
fa nisy voady nataony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 46, 2-3. 4-5. 6-7
Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana!
Miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana,
fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.
Vahoaka maro, ataony ambaninay;
fokom-pirenena, ambany tongotray.
Izahay nofidiny ho lovany,
i Jakôba olon-tiany, ho reharehany.
Andriamanitra miakatra, arahina hoby;
ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara.
Antsao Andriamanitra! Antsao!
Antsao ny Mpanjakantsika! Antsao!
Aleloia. Aleloia.
Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo; handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 20-23a)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Lazaiko marina aminareo fa hitomany sy higogogogo ianareo,
ary hifaly izao tontolo izao;
halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo.
Ory ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany;
nefa tsy tsaroany intsony ny fahoriany rahefa teraka izy,
noho ny hafaliany fa hoe misy olona teraka amin’izao tontolo izao.
Manana alahelo koa ianareo ankehitriny,
nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo,
ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo.
Amin’izany andro izany,
dia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco