• Manana roapolo andro hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisi-pifidianana ny olom-pirenena. Efa nalefa eny amin'ny Fokontany avokoa ny lisi-pifidianana avy nohamarinin'ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana eny anivon'ny Distrika... • Hanomboka amin'ny zoma 21 marsa 2025 ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-78 taona nisian'ny tolo-panafahana 1947. Lohahevitry ny fankalazana amin'ity taona ity ny hoe : “Tolo-panafahana : fanilo miampita ho an'ny taranaka”... • Hanokana andro iray hanehoana ny firaisamonin'izy ireo ny sendikan'ny Paramed SISFM. Hetsika hatao ny alakamisy 20 marsa 2025. Fotoana hisaonana ireo rasazy maty...
• Mitotongana indray ny lanjan'ny vola malagasy. Efa mihoatra ny 5.000 Ariary ny Euro iray ; niakatra ho 4.600 Ariary ny Dolara iray, araka ny hita ao amin'ny tranonkalan'ny Banky Foiben'i Madagasikara... • Hiroso amin'ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana eny Analakely ny Kaominina Antananarivo. Omena hatramin'ny alakamisy izao ireo mpivarotra ireo hialana eny an-toerana, raha ny fitarainan'izy ireo... • Nanome antoka ny eo anivon'ny Jirama, fa madio sy voatily ary manaraka ny fenitra iraisam-pirenena momba ny fanadiovana, ny rano vokarina. Nanitsy ny feo miely momba ny kalitaon'ny rano, ity orinasa ity...
18 marsa — I Cyrille de Jérusalem dia teraka tao Jerosalema nanodidina ny taona 315. I Acace, arseveka tao Césarée no nifidy azy ho eveka hisolo an'i Maxime ny taona 350. Vetivety foana anefa dia tsy nifankahazo i Cyrille sy i Acace satria nisy adihevitra teôlôjika tamin'izany vokatry ny Kônsily tao Nicée nanameloka ny fampianaran-diso nataon'i Arius.
18 marsa 2025 — Talata, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco