Ny Ntaolo dia olona niaina teo anelanelan'ny 1500 hatramin'ny 1810, fotoana nahaveloman'ireto oloha ireo sy nitondrany dia faha-Rangita sy faha-Andrianampoinimerina. Ny volana malagasy dia miisa 12, izay nifototra tamin'ny teny "sanscrite". Ny volana malagasy dia mifamatotra amin'ny toetr'andro sy ny asa fiveloman'ny toerana iray na foko iray. Ireto misy teny sanscrite vitsivitsy : ASARA, JIOLAHY, SAKAVIRO. Misy anaram-bolana "Adijady" dia avay amin'ny teny arabo, midika hoe zanak'osy...
♦ Nandeha ny feo fa misy olana ara-bola ankehitriny, eny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nitombo 170% ny tahan'ireo voan'ny tsimokaretina SIDA ahitàna soritra aretina ety ivelany manatona hôpitaly eto Madagasikara. Roa alina eo ireo olona voan'izany eto amintsika ankehitriny... ♦ Manana vahaolan'ny jiro sy rano eto Madagasikara ankehitriny ny Tany Développement. Azo atao tsara ny mamaha izany, amin'ny alalan'ny fanodinana ny fako ho lasa angovo hoy ity fikambanana ity... ♦ Nisafidy ny hiditra anatin'ny vondrona Erôpeana ii Moldavie, araky ny vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka. Nankasitraka izany ny filohan'ny Vaomiera Erôpeana, Ursula Von Der Layen...
Tsy voatery ho amin'ny fiainana milamina no midera an'Andriamanitra fa amin'ny fiainana manontolo, mety misy mantsy ny fitsapana. Ny herim-panahy faherezana no ahafahana mandresy ny tahotra, eny fa na ny fahafatesana aza. Eo anatrehan'ny sarotra sy ny fahadisoam-panantenana dia ilaina ny mihira ny fanantenana toy ny nataon'i Jesoa, izay hira firavoravoana nataony ary koa vavaka... Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
22 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 35-38)
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco