♦ Nidina ny IDH na ny tondro momba ny fampandrosoana ny maha olona teto Madagasikara, ny taona 2020 sy 2021, noho ny fisian'ny valanaretina Covid-19 maneran-tany... ♦ Nifarana androany ilay atrikasa teknika ho famolavolana ny lalàna mifehy ny herinaratra eto Madagasikara... ♦ Mampitandrina ireo mpifaninana taminy, ny kandida Randrianasolo Nicolas sady Solombavam-bahoaka amperin'asa any Betroka, mba hampitsahatra ny fanaratsiana sy ny fanosoram-potaka...

♦ Noafahana omaly ny Solombavam-bahoakan'i Tsihombe, Masy Goulamaly, rehefa notazonina nandritra ny 18 andro. Mbola araha-maso ara-pitsarana hatrany anefa ity olom-boafidy ity... ♦ Mety mbola ho maro an'isa eny Tsimbazaza ireo depiote mpanohana ny fitondrana. Tsy mbola hisy ny azon'ny mpanohitra hatao, raha tsy ovaina ny lalàna mifehy ny Antenimieram-pirenena, hoy ny antoko Teza... ♦ Nahazo famatsiam-bola 18 tapitrisa Euros, avy amin'ny Governemanta Alemà, ny fanjakana Malagasy. Famatsiam-bola hanohanana ny tetik'asa fampisitrahana herinaratra ireo faritra tsy mbola misy izany...

Ny fanadinana dia sedra ara- "psychopédagogique" ho an'ny mpianatra. Ny voambolana " Psychopédagogie" dia fitambaran'ny teny roa : Psychologie + pédagogie ; izany hoe fampianarana mifototra amin'ny toetra sy ny fomba fampitana fahalalana amin'ny olona iray. Ny fanadinana dia sedra ahafahan'ny mpianatra manomana ny sainy hiatrehany ny fiainany ho avy. Ny fanadinana dia fanabeazana ny mpianatra hahay hifehy fotoana sy hifehy tena... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Hanomboka avy hatrany anio ny fitsarana ny fanadinana CEPE omaly. Tombanana hivoaka mialoha ny fetim-pirenena ny voka-panadinana... ♦ Tsy ampy ny isan'ny laza adina jeôgrafia nandritra ny fanadinana CEPE teny amin'ny CEG Betsimitatatra. Tamin'ny 4 ora vao nanomboka ny fiatrehan'ny mpiadina io taranja io. Nitaintaina ny ray aman-dreny... ♦ Mikasa ny hanao hetsika manodidina ny kianjan'i Mahamasina indray ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny Foko Malagasy, amin'ny 26 jona 2024. Tsy ankasitrahan'izy ireo io daty io, ho tsingerin-taona niverenan'ny fahalevovantenan'i Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...