Ny safidy dia isan'ny maha-olombelona ; ny anjely dia tsy manan-tsafidy fa manatanteraka hiraka fotsiny. Ny safidy dia avy amin'Andriamanitra ary nomena ny olona tsirairay. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Mbola voasokajy isan'ireo firenena PMA, isan'ny mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara, raha ny tatitry ny PNUD omaly... ♦ Hanangana vondrona Parlemantera tsy miankina ireo solombavambohoaka lany tamin'ny fikambanana LAUY FAR... ♦ Mitaky ny hisian'ny fikaonandoham-pirenena ny ARFM, tsy vahaolana hoy izy ireo ny fanantanterahana ny fifidianana nifandimby... ♦ Tafakatra 900 ireo olona mpanao fivahinianana Masina any LA MECQUE no namoy ny ainy, raha ny loharanom-baovao avy amin'ny AFP Agence France Presse alina... ♦ Mpikambana ao amin'ny C.C.A.T miisa 11, mpitaky ny fizakan-tena nikotrika korontana tany NOUVELLE CALEDONIE no voasambotra omaly...

Loharano hipoiran'ny fanantenana ny vavaka satria mampitodika tsy tapaka amin'ilay nanao ny zavatra rehetra. Ny tena olombelona dia izay mahay manokatra fomba fijery vaovao amin'ny misterin'ny asa fahariana nataon'Andriamanitra. Ny fahazotoana mivavaka no manambara mazava hoe manan-kianteherana isika dia Andriamanitra Mpahary. Izay tena mivavaka dia mahatsapa fa ny antso ho amin'ny fitsanganan-ko velona no tena antso farany ho azy. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

20 jona 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...