26 septambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 7-9)
♦ Miisa 29.978 irao olona mpilatsaka ho fidiana voarain'ny OVEC miisa 120, hatramin'ny androany... ♦ Mila mitandrina ny mpampahalala vaovao amin'izao antain'ny zotram-pifidianana izao, manolona ny vaovao tsy marina miparitaka eny amin'ny fiaraha-monina sy ny tambajotra sôsialy... ♦ Tsy eken'ny RMDM, izay mety ho fikasana hanemotra indray ny datim-pifidianana, sy ny mety hisian'ny hala-bato amin'ny fahafahana mampiasa “ordonnance”...
♦ Kaominina Ambohimanga Rova : Tsy manaiky ny hanatanterahana ilay tetik'asa fanamboarana ny lalam-be mikodàna ireo mponina avy amin'ny Fokontany miisa 7 voakasika amin'izany, hitohy rahampitso indray ny fitokonana ataon'izy ireo... ♦ Ireo fanadinam-panjakàna ho amin'ity taom-pianarana 2024-2025 ity : tanterahina ny 17 jona ny fanadinana CEPE 6éme, raha ny 30 jona hatramin'ny 3 jolay 2025 ny fanadinana BEPC 2nd... ♦ Manentana ny vehivavy rehetra hanara-maso ny toe-pahasalamana hisorohana ny aretina homamiadan'ny nono sy ny vozon'ny tranon-jaza, ny Fondation Akbaraly sy ny Association Fitia...
♦ Solontenan'ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara : Tsy mitsabaka amin'ny raharaha anatin'ny firenena ary manaja ny fiandrianam-pirenena Malagasy araka ny fanambarana navoakan'izy ireo omaly... ♦ Iray andro mialoha ny hikatonan'ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an'ireo kandidà maniry ny handray anjara amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolon-tsaina, mbola misy 400 eo ireo kaominina tsy manana kandidà... ♦ Hatsaraina sy havaozina ny drafitr'asa mirakitra ny paik'ady ho an'ny faditseranana Malagasy, miditra amin'ny andro faharoa anio ny fankan-kevitra momba izany tanterahina eny amin'ny Ibis Ankorondrano... ♦ Any Etats-Unis : Fiaramanidina roa no nifandona teny an'habakabak'i Californie ny alahady teo...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco