Misy adidy sy andraikira miandry antsika rehetra, indrindra ny fifanitsiana amin'izay mety ho tsy fetezan-javatra : ara-pitondran-tena, ara-pitantanana... Ny fitiavana dia tandindon'ny safidy, ary izy io dia avy amin'Andriamanitra. Ny fifanajana sy ny fampitovian-jo ny rehetra dia isan'ny singa fototra ahafahana mampandroso ; ilàna toe-tsaina mendrika sy mampisongadina ny maha-Malagasy anefa izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Hifarana anio amin'ny 5 ora hariva ny fahafahan'ireo maniry ho kandidà amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina manatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana any amin'ny OVEC manerana ny nosy. Manodidina ny 30.000 ireo olona mirotsaka ho fidiana anatin'ny lisitra 2.900 isa... ♦ Mitera-doza ho an'ny fiaraha-monina ny vaovao tsy marina tonga any aminy. Mila mitandrina ny mpampahalala vaovao amin'izao anatin'ny zotram-pifidianana izao hoy ny vovonana VaovaoCheck... ♦ Nidina ifotony teny Andralanitra nijery ny zava-misy ny PDS ao Antananarivo-renivohitra Ramanantsoa Harilala. Manomana tetik'asa handrindrana ny fako ao Andralanitra ny mpitondra fanjakàna sy ny kaominina...
Tsy misy fahotana afaka mamafa ny endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona ; na ao anatin'ny fahalemena aza isika olombelona dia tsy misy mahasaraka antsika amin'Andriamanitra. Isika dia saribidy eo anoloan'Andriamanitra fa tsy ny fahotana.
Andriamanitra dia fitiavana tsy misy fetrany ka mitso-drano antsika isan'andro, toy ny ray aman-dreny tsy mahafoy ny zanaka tiany... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.
26 septambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 7-9)
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco