♦ Antoky ny fiakaran'ny lanjan'ny toekarena malagasy ny fisian'ny fitoniana ara-pôlitika, hoy ny Masoivoho britanika vaovao miasa eto Madagasikara, nandritra ny fihaonany tamin'ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Vintana farany hahafahan'ny Barean'i Madagasikara hiady ny tapakila hiatrehana ny fifanintsanana CAN 2025, ny lalao hihaonana amin'i Gambie... ♦ Efatra isan-taona eo ny herisetra na fanararaotana mianjady amin'ny mpanao gazety, eo am-panatanterahana ny asany, raha ny tatitra voarain'ny OJM...
Raha ny trangam-piaraha-monina amin'ny ankapobeny no jerena dia matetika misy olana eo amin'ny fifandraisn'ny rafozana sy ny vinanto. Ny ankamaroan'ny mpaneho hevitra dia milaza fa ny tsy fitovian-kevitra no fototra hiavian'ny olana. Azo ambara fa anton'izany manokana ny fahasamihafan'ny fianakaviana nipoirana, izay samy manana ny hanitra ho azy ankilany eo amin'ny lafiny fanabeazana. Noho izany dia samy mila ezaka na ny andaniny na ny ankilany mba hanatsarana ny fifandraisana sy hisorohana ny disadisa mety hiseho. : fifanajana, fifandeferana, fifampihainoana, fifampitokisana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
♦ Efa any amin'ny Diôsezin'Ambatondrazaka i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, izay voatendry ho Evekan'Ambatondrazaka... ♦ Navaozina ny kiôska momba ny torohay ara-pitsarana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo... ♦ Manome tanana amin'ny famatsian-drano ao Toamasina amin'ny alalan'ny JICA i Japon...
Nanentana ireo kristiana tany Tesalonika i Md Paoly ny mba hivavahan'izy ireo lalandava ary hisaotra amin'ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesoa ho azy ireo. Ny irin'ny Tompo amintsika dia ny hisaorana Azy mandrakariva. Mila faharetana ny mivavaka. Mampiavaka ny Taratasy nosoratan'i Md Paoly dia mazàna manomboka sy mifarana amin'ny fisaorana... Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco