14 ôktôbra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-42)
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 4, 7-16)
Ry kristianina havana,
samy manana ny ambaratongany ny fahasoavana nomen’i Kristy antsika tsirairay avy.
Izany no anaovan’ny Soratra Masina hoe:
“Niakatra any ambony Izy, nitondra olona maro ho babo,
ary nanome fanomezana maro ho an’ny olona.”
Inona no ilazana hoe niakatra Izy,
afa-tsy noho Izy efa nidina ho any ambanin’ny tany koa?
Ary tsy iza Ilay nidina fa Ilay niakatra any ambonin’ny Lanitra rehetra ihany,
mba hamenoany ny zavatra rehetra.
Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho Evanjelista,
ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin’ny fandavorariana ny olona masina,
dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy,
mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra,
sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’i Kristy;
dia tsy ho zaza intsony isika,
ka tsy ho azon’ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy,
tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan’ny olona ho amin’ny hevi-diso;
fa hanaraka ny marina amin’ny fitiavana,
ka hitombo hatrany hatrany amin’ny zavatra rehetra, amin’ny firaisana amin’ny Loha dia i Kristy,
Izy no iankinan’ny tena manontolo,
ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany,
samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy,
ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin’ny fitiavana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 121, 1-2. 3-4a. 4b-5
Hafaliana no nanenika ny tenako rehetra.
Nilazana fa hizotra ho any an-tranon’Izy Tompo.
Indro tonga soa ’zahay, tapitr’eto re ny dia.
Eto am-bavahadinao, ry Siôna tsara rindra.
Ao no miakatra ireo foko, dia ny fokon’Izy Tompo.
Ao ny Anaran’Izy Tompo ho derain’i Israely.
Fiketraham-pitsarana no mijoro anatiny ao,
ary miorina ao anivony ao ny tranon’i Davida.
Aleloia. Aleloia.
Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 1-9)
Tamin’izany andro izany,
nisy olona sasany tonga nilaza tamin’i Jesoa ny nanjo an’ireo Galileanina
fa nalatsak’i Pilaty niaraka tamin’ny soron’izy ireo ny rany.
Ary novaliany hoe:
“Moa ataonareo fa ireny Galileanina ireny
dia mpanota mihoatra noho ny Galileanina rehetra matoa nozoin-doza toy izany?
Tsia hoy Aho aminareo;
fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra.
Na moa ataonareo fa ny olona valo ambin’ny folo maty nianjeran’ny tilikambon’i Silôe
no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema?
Tsia, hoy Aho aminareo;
fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra.”
Dia nanao ity fanoharana ity Izy:
“Nisy lehilahy anankiray nanana aviavy nambolena tamin’ny tanim-boalobony,
dia nankeo aminy mba hitady voa fa tsy nahita.
Dia hoy izy tamin’ny mpiasa ny tanim-boalobony:
‘Indro efa telo taona izay no tonga mitady voa amin’ity aviavy ity aho,
nefa tsy mahita;
koa kapao io, fa nahoana no manimba ny tany foana eo?’
Ary hoy ny mpiasa namaly azy:
‘Aoka re ho eo ihany izy amin’ity taona ity, tompoko,
dia hohevoiko ny fotony sady hasiako zezika;
angamba hamoa izy, fa raha tsy izany dia hokapainao ihany izy.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 4, 1-6)
Ry kristianina havana, mangataka aminareo aho,
dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo
mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo ianareo,
amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana;
mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana;
fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray,
araka ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray;
tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, Batemy iray,
ary Andriamanitra iray, izay Rain’izy rehetra, ambonin’izy rehetra,
manerana azy rehetra, ary ao anatin’izy rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6
Ny tany, ny hareny, Azy Tompo avokoa.
Dia izao rehetra izao ary izay monina ao.
Naoriny ambonin’ny rano izy ireny.
Napetrany tsara eo ambonin’ny ony.
Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo;
hanorim-ponenana an-toerany masina.
Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,
sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.
Dia izy no hany hotsofina rano,
ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.
Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha
ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 54-59)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Raha vao mahita rahona avy any andrefana ianareo, dia manao hoe:
‘Ho avy ny orana’, ka avy tokoa izy;
ary raha renareo avy atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo:
‘Hafana ny andro’, ka tonga tokoa izany.
Ry mpihatsaravelatsihy,
hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany,
ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao andro diavintsika izao?
Nahoana koa no tsy amantaran’ny tenanareo izay marina?
Fa raha miara-mandeha amin’izay manana ady aminao ianao hanatrika ny mpitsara,
dia ataovy izay hahafahanao aminy raha mbola eny an-dalana ianareo,
fandrao tongany any amin’ny mpitsara ianao ka atolotry ny mpitsara amin’ny mpamatotra,
ary alatsaky ny mpamatotra an-tranomaizina.
Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 8, 14-21)
Ry kristianina havana, mandohalika amin’ny Ray aho,
dia ny Ray, izay angalan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy ety an-tany anarana,
mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny,
ny hankaherezina fatratra araka ny olona anaty amin’ny Fanahy,
sy ny hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana,
dia ho latsa-paka sy hiorina amin’ny fitiavana ianareo,
ka hiara-mahafantatra tsara amin’ny olo-masina rehetra
izay sakany sy lavany, ary haavony sy halaliny,
sady hahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra,
ka dia ho feno ny hafenoan’Andriamanitra rehetra ianareo.
Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika,
araka ny heriny miasa ato amintsika,
eny, ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny Eglizy, sy ao amin’i Kristy Jesoa,
hatramin’ny taranaka farany indrindra, sy mandrakizay mandrakizay. — Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 32, 1-2. 4-5. 11-12. 18-19
Hobio ny Tompo, ry olo-marina:
dia Ilay mendrika hoderaina, ry olo-mahitsy!
Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo!
Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo;
ara-drariny ny asany rehetra;
ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany,
ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany!
Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay;
ny fikasan’ny fony, amin’ny taranaka mifandimby.
Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony
sy ny vahoaka nofidiny ho Lovany!
Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy,
sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony,
hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana,
sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena!
Aleloia. Aleloia.
Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 49-53)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tonga hanipy afo ety ambonin’ny tany Aho,
ka akory ity faniriako mba hirehetan’izany sahady!
Ary manana batemy hanaovana batemy Ahy koa Aho,
ka ory manao ahoana Aho ambara-pahatanterak’izany!
Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana ety an-tany Aho?
Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana aza.
Satria hatramin’izao raha olona dimy an-trano iray,
dia hanao an-daniny, ka hifanohitra ny telo amin’ny roa, ary ny roa amin’ny telo;
ny ray amin’ny zanany lahy, ary ny zanakalahy amin’ny rainy;
ny reny amin’ny zanany vavy, ary ny zanakavavy amin’ny reniny;
ny rafozam-bavy amin’ny vinantony vavy, ary ny vinantovavy amin’ny rafozany vavy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco