Mila fiomanana mialoha rehefa mivavaka miaraka amin'ny Soratra Masina, ilana fahavononana. Ny vavaka dia misy fotoanany sy toerana ary toro-lalana avy amin'ny Soratra Masina. Ny Fiantsoana ny Fanahy Masina dia mitarika, mankahery sy mampifandray amin'ny hafa toy ny fiombonana amin'ny namana, fiombonana amin'ny Eglizy ary indrindra amin'Andriamanitra...  Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.

15 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 37-41)

♦ Hihatra manomboka rahampitso amin'ny fanombohan'ny fivorian'ireo Solombavam-bahoaka eny Tsimbazaza, ny fampiasana ny hay tao ara-kajy mirindra, hamaritana ny mari-pahatongavana sy ny fiantsoana ny anaran'ireo Solombavam-bahoaka mamonjy fivoriana... ♦ Niaiky amin'ny fananan'ny fitsarana andraikitra lehibe amin'ny ady amin'ny kolikoly ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Tsy mbola fongotra tanteraka ny aretina kitrotro eto Madagasikara. Natomboka androany tany Amboistra ny hetiska fanaovam-bakisiny iadiana amin'izany...

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...