31 desambra 2024 — Andro fahafito amin'ny Havaloan'ny Noely — Ny Teny dia tonga nofo ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany 1, 1-18

Mamintina ny tantaram-pahariana ao amin’ny Jenezy 1 ny fiantombohan’ny Evanjelin’i Masindahy Joany eto, izay iverimberenan’ny matoanteny hoe “niteny Andriamanitra dia nisy izany”. Satria Andriamanitra dia nahary an’izao tontolo izao tamin’ny Teniny. Hoy ny voalaza eto hoe : “Izy, izany hoe ny Teniny, no nahariana ny zavatra rehetra”. Manamafy izany ihany koa ohatra ny voalaza ao amin’ny Salamo 33 izay manambara hoe : “Ny tenin’ny Tompo Andriamanitra no nanaovana ny lanitra; ary ny fofon’ain’ny vavany no nanaovana ny tafiny rehetra”. Tsy io ihany anefa no milaza an’izany fa mitovy amin’izany koa no hita ao amin’ny Fahendrena 9 sy ny Siraka 42: “Ny tenin’ny Tompo no nahavitana ny asany rehetra”. Ka io Teniny tany amin’ny Jenezy io ihany ity Teny lazain’i Masindahy Joany ity eto, izay tsy iza fa i Jesoa-Kristy Teny tonga nofo, tonga olombelona.

Iza àry i Jesoa-Kristy, Teny tonga nofo, araky ny voalaza eto? I Jesoa-Kristy dia fiainana ho antsika. Izy no fahazavana. Mandrakizay Izy satria tsy nateraka avy amin’ny rà na ny sitrapon’ny nofo, fa naterak’Andriamanitra. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy; ka noho izany dia loharanom-pahasoavana tsy mety ritra ho antsika Izy. Izay no hambarany amin’ny hoe: “Avy amin’ny hafenoany no nandraisantsika rehetra fahasoavana miampy fahasoavana”. Raha izany no dinihana, dia ny Teny no fototra nampisy antsika sy fototra mampiaina antsika ary fototra hivelomantsika. Ny Teny dia i Jesoa-Kristy no nampisy antsika taloha, mampiaina antsika ankehitriny ary mbola hamelona antsika rahatrizay amin’ny ho avy. Noho izany, i Jesoa-Kristy no tokony hifikirantsika. Aoka isika mpanara-dia Azy tsy hisaraka Aminy na oviana na oviana. Satria efa nambarany fa raha tsy mitoetra ao Aminy isika sy itoerany dia tsy mahefa na inona na inona (Jn 15, 5).

Manao jery todika ny lasa àry isika amin’izao faran’ny taona izao; ka mba tsapantsika ve fa matoa isika mbola voatsimbina hatramin’izao dia tsy noho ny herintsika na ny fahaizana amam-panaontsika fa noho ny fisian’i Kristy eo anivontsika. Koa tadidio àry fa efitra ny fiainana nodiavintsika sy mbola hodiavintsika. Nandritra izany dia dian-tongotra efatra hatrany no niara-dalana aminao: dia ianao sy i Jesoa ireo. Fa rehefa tonga ny tafio-drivotra nitondra vovoka be, nanditsoka ny masonao dia fanina ianao, ka rehefa nitady hisarangotana, dia eo vao nahita fa roa sisa ny dian-tongotra hitanao. Tsy anao ireo roa ireo akory, fa an’i Jesoa namindra samy irery izay nibaby anao sy nanao anao an-tsangory rehefa nijaly sy nandalo lalan-tsarotra ianao. Tsy mandao i Kristy fa eo foana Izy. Koa izany àry no aoka hifikirantsika mandrakariva amin’i Jesoa-Kristy fa izany no hanirahan’Andriamanitra Azy ho eo anivontsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 marsa 2025

• Tafajoro ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny Aumônerie de Catholique de l'Administration Pénitencière na ny ACAP, izay miandraikitra ireo mpikatroka eny anivon'ny fonja... • Ny 26 sy 27 avrily 2025 no hanatanterahana any Vohipeno ny pelerinazy diosezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa... • Manosika antsika kristianina hanova fiainana ny faharetan'Andriamanitra, hoy ny Papa François omaly, tao amin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranon-kalam-pifandraisan'i Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...