♦ Miisa 38 sisa ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara no mbola araha-maso sy tsaboina any amin'ny hôpitaly... ♦ Nandefa fiaramanidina naka ny Covid Organics teto Madagasikara ny Filohan'i Guinée Equatoriale... ♦ Miantso ny fitondram-panjakana hanampy azy ny mpitatitra ao an-drenivohitra. Maty antoka izy ireo araka ny nambaran'ny solontenany...

Alakamisy 30 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 44-52 — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona ; ary hiditra amin'ny voninahiny.

♦ Tsy mitombo isa mihitsy hatreto ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Nandefa CVO na Covid Organics 11.500 fonosana ho an'ny vahoaka any Guinée Equatoriale sy ireo Malagasy monina any an-toerana ny fitondram-panjakana malagasy... ♦ Misokatra ankehitriny ny antontam-baovao azon'ny rehetra jerena izay liana amin'ny vaovao momba ny Coronavirus...

♦ Velon-taraina ny fikambanan'ireo mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na ny FIASTRAMA fa misy misandoka ny vokatra avy amin'izy ireo hitsaboana ny marary... ♦ Manohy ny fanafihana ao an-tampon-tananan'Ambatondrazaka ny jiolahy mitam-piadiana. Miantso vonjy manoloana izany ny mponina... ♦ Olona 25 no atao famotorana tao aorian'ny vono olona nahafaty pôlisy tany Ambanja...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...