Alakamisy 30 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 44-52 — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona ; ary hiditra amin'ny voninahiny.

0 : 00

Amin’ny ankapobeny dia mihevitra isika kristianina fa ny finoana dia toy ny zavatra mandeha ho azy. Matoa isika miaina ao anaty finoana kristianina, dia ireo ray aman-dreny no nampita izany tamintsika. Ny finoantsika àry dia tsy tokony hijanona amin’ny fampitana fotsiny fa tokony hahatsapa ihany koa fa fanomezan’Andriamanitra ho antsika izy io. Hisaorantsika mandrakariva ary Izy Andriamanitra noho ny nanomezany antsika ny finoana.

Noho ny finoana àry no hitarihan’i Jesoa antsika ho any amin’ny Ray. Izy mantsy efa niteny hoe : "Izay mahita Ahy dia mahita ny Ray". Ny endrik’i Kristy no manambara antsika ny misterin’Ilay Andriamanitra Ray tsy hita maso. Tsy afaka ny hahalala ny Ray tokoa isika raha tsy mahalala an’Izy Jesoa. Iza tokoa moa no mahalala ny Ray ankaotra ny Zanaka ? Ny zanaka ihany mantsy no avy amin’ny Ray ary Izy Irery ihany no afaka manambara momba ny Ray. Manambara amintsika àry i Jesoa fa Izy no Mofon’ny fiainana, ho an’izay mihinana Azy, izany hoe mino Azy. Izy no mitondra antsika any amin’ny ilay fiainana mandrakizay.

Jesoa, ilay mofo nidina avy any an-danitra ary dia manome ny Tenany ho antsika ao amin’ny Eokaristia. Ary izay mandray Azy tokoa dia ho velona mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...