Zoma 22 mey 2020 — Herinandro fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 20-23 — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo ; handeha Aho ary ho avy aminareo indray, ka ho faly ny fonareo.

Alakamisy 21 mey 2020 — I Jesoa Kristy niakatra any an-danitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 28, 16-20 — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo, ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny faran'izao tontolo izao.

♦ Niampy 45 indray ny olona voatily fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara araka ny tatitra androany... ♦ Miendrika fihantsiana ny nataon'ny fitondrana frantsay amin'ny filazana fa hanangana faritra arovana ao amin'ny Nosy Sambatra izy ireo... ♦ Tafakatra 1.900.000.000 Ariary sahady ny vola very nefa tokony hiditra any amin'ireo mpandraharaha ara-pizahan-tany...

♦ Mandinika amin'ny antsipiriany ny volavolan-dalana atolotra azy ny ao amin'ny Anterimieran-doholona vao mandany izany... ♦ Hiroso amin'ny fametrahana ny solontenany eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny Rodoben'ny Mpanohitra ho an'ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM... ♦ Tsy maintsy amin'ny alalan'ny fifampiresahana no hamahana ny olana eo amin'ny France sy i Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...