Zoma 22 mey 2020 — Herinandro fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 20-23 — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo ; handeha Aho ary ho avy aminareo indray, ka ho faly ny fonareo.

0 : 00

Mbola miaina mandrakariva ny hafaliana vokatry ny Paka isika izao. Alohan’ny Pakan’i Jesoa, niaina ny fijaliana ireo mpianatr’i Jesoa. Fanambarany Azy eto ny hoe: “fa hitomany sy higogogo ianareo” ; hitomany sy higogogo satria hosamborina i Jesoa izay nianteheran’izy ireo, hampijaliana. Teto ny mpianatra dia lasa nandositra noho ny tahotra, nalahelo satria tafasaraka amin’i Jesoa. Ireo mpampijaly Azy kosa ho faly satria hohesorina hiala eo amin’izy ireo ilay manelingelina ny fiainany.

Fa hiova hafaliana kosa ny Fijalian’ireo mpianany ireo satria hahita Azy hitsangan-ko velona. Toa kodiaran-tsarety tokoa ny fiainany ka ny fijalian’izy ireo mody ho hafaliana. Oharin’i Jesoa amin’ny vehivavy eo am-piterahana izany fijaliana sy hafaliana hiainan’ny mpianany izany. Rehefa mihetsi-jaza ny vehivavy mitaraina sy mitomany noho ny fijaliana sy fanaintainana iaretany ; fa rehefa teraka kosa, faly satria misy olom-baovao tonga eto an-tany koa hadinony miaraka amin’izay ny fahoriana niaretany rehefa raisiny eo am-pofoany ilay menaky ny ainy.

Ny Paka dia fahaterahan’ny fiainam-baovao. Nampijaliana sy novonoina I Jesoa fa velona indray ka nampiteraka fiainam-baovao. Fiainana feno hafaliana sy fiadanana ; hafaliana lavorary satria maharitra mandrakizay. Fahateraham-baovao satria velona indray ary velona mandrakizay. Tsy ho toy ny hafalian’izao tontolo izao izay mandalo ihany ary hafaliana mifono tahotra sy tebiteby. Miainga avy ao amin’i Jesoa maty sy nitsangan-ko velona ny hafaliantsika kristiana manara-dia an’i Kristy. Mahenika ny fiainana manontolo ao anatintsika ao izany : ny fo amam-panahintsika, ny fahasahiana ao anatintsika ao hiatrika ny fiainana isan’andro, ny zotom-po. Fa tsy fiainana ao anatintsika ihany fa eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika koa : ny fianakaviana, ny Fiangonantsika. Miova ho tontolo vaovao ny tontolo misy antsika noho izay finoantsika an’i Jesoa maty sy nitsangan-ko velona izay. Isika mitondra io finoana io eny amin’ny fiainantsika andavan’andro io no mampisy dikany sy hasiny ny fiainantsika ka izay lalovantsika rehetra toa feno fanantenana sy fandresena eo am-piatrehana ny andavan’androm-piainantsika. Koa ho Paka feno hafaliana lalandava anie ny fiaiantsika. Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...